Salamo

Toko faha-59 (58)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon'ny hoe "Aza ravana...". Hira malefaka nataon'i Davida, fony i Saoly naniraka hiambina ny tranon'i Davida mba hamonoany azy.

2 Andriamanitra o, afaho amin'ny fahavaloko aho, arovy tsy ho voan'ireo mpamely ahy.

3 Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, vonjeo tsy ho azon'ny mpandatsa-dra.

4 Indreo izy miery ka mikendry hahafaty ahy; olo-matanjaka no mivorivory hamely ahy, kanefa tsy meloka aho na nanota, TOMPO o;

5 tsy misy hadisoana vitako velively, kanefa milomay izy mivonon-kijoko ahy.

6 Ianao TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely o, mifohaza, tongava aty amiko ka jereo; mifohaza hanasazy ny mpanompo sampy, aza misy iantrana ireo mpivadika ratsy ireo.

7 Nony hariva, dia mitampody ny fahavaloko ka toa andian'alika mivovo mihaodihaody eran'ny tanana.

8 Injao fa midaondaom-bava izy, ka ny teniny toy ny sabatra; heveriny fa tsy misy mandre azy.

9 Kanjo Ianao, TOMPO o, homehy azy; esoinao ny mpanompo sampy rehetra!

10 Ry Heriko o, Ianao no andrandraiko satria Andriamanitra fiarovana avo ho ahy.

11 Ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy dia ho avy tokoa hialoha ahy ka hataony hitako ny fahavaloko resy.

12 Andriamanitra o, aza aringana avy hatrany ireo fandrao hadinon'ny vahoakako ny fandresenao; ahofokofohy amin'ny herinao ireo ka azerao, ry Tompo ampinganay o.

13 Vao miteny izy, dia manota aminao; koa ataovy voafandriky ny avonavony sy tratry ny ozona aman-dainga tanisainy.

14 Aringano an-katezerana izy, aringano ka aza avela hisy hiangana; dia ho fantatra hatrany am-paran'ny tany fa Andriamanitra no mifehy eo amin'ny taranak'i Jakoba.

15 Nony hariva, dia mitampody ireo fahavaloko ka toa andian'alika mivovo mihaodihaody eran'ny tanana

16 sady miriorio mitady hanina; ka raha tsy voky izy, dia maneronerona.

17 Izaho kosa hihira ny herinao sy hihoby vao maraina ny fitiavanao, satria Ianao fiarovana avo ho ahy sady fialofana amin'ny andro fahoriana.

18 Ry Heriko o, mankalaza Anao amin-tsalamo aho satria Ianao Andriamanitra fiarovana avo ho ahy, dia ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564