Salamo
Toko faha-58 (57)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon'ny hoe "Aza ravana....". Salamo nataon'i Davida.2 Moa dia ny rariny tokoa ve no lazainareo, ry manampahefana ? Moa araka ny hitsiny ve no itsaranareo ny olona?
3 Tsy izany, fa minia manao ny ratsy ianareo; ny herisetra ataonareo no afafinareo amin'ity tany ity.
4 Hatrany am-bohoka ny olon-dratsy no mivaona; hatramin'ny vao teraka ny mpandainga no maniasia.
5 Misy poizina tahaka ny menarana izy; manentsin-tadiny tahaka ny bibilava marenina
6 izay tsy mihaino ny mpanao safosiaka azy, na dia ny mahasondriana indrindra aza.
7 Andriamanitra o, torotoroy ao am-bavany ny nifiny; TOMPO o, montsany ny vangin'ireo zary liona ireo.
8 Hihanaka toa rano abosasaka anie izy, hadisadisa toa ahitra voahosihosy;
9 ho tahaka ny lelosy anie izy, ka hiempo eny am-pandehanana; ho tahaka ny zaza tsy tonga volana ka tsy hahita masoandro na oviana na oviana!
10 Tsy mbola tonga kirihitra akory ny tsilo novolen'ny olon-dratsy, dia hongotan'ny tafiotra sahady na mbola maitso na efa maina.
11 Ny olo-marina hifaly hahita ny famaliana ny mpanota sy hanasa tongotra amin'ny ran'ireo olon-dratsy.
12 Amin'izay ny besinimaro hiaiky hoe: "Eny, valisoa no anjaran'ny olo-marina; eny, misy Andriamanitra mitsara eto an-tany."