Salamo

Toko faha-57 (56)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. hohiraina araka ny feon'ny hoe "Aza ravana...." Salamo nataon'i Davida fony izy nandositra lavitra an'i Saoly ka niery tao anaty zohy.

2 Iantrao aho, Andriamanitra o, iantrao satria Ianao no fialofako; eo ambany elatrao tokoa no ialofako mandra-pidifin'ny loza.

3 Ilay Andriamanitra Avo Indrindra no antsoiko, dia ilay Andriamanitra manao izay mahasoa ahy.

4 Hirahiny avy any an-danitra anie ny famonjena ahy, hataony ho afa-baraka anie ireo mpanenjika ahy! Eny, hirahin'Andriamanitra ho amiko anie ny fitiavana amam-pahamarinany!

5 Izaho monina afovoan'ny fahavalo masiaka izay tahaka ny liona mandripaka olona: toy ny lefona na zana-tsipika ny nifiny, toy ny sabatra maranitra ny lelany.

6 Andriamanitra o, misandrata Ianao hanerinerina any an-tampon'ny lanitra. Aoka anie ny voninahitrao hamiratra amin'ny tany tontolo!

7 Ireo fahavaloko efa namelatra fandrika harato tamin'ny lalako mba hampitanondrika ahy; nihadiany longoa teo anoloako, kanjo izy ihany no latsaka tao.

8 Andriamanitra o, mitombina dia mitombina ny foko ka hihira sy hankalaza Anao amin-tsalamo aho.

9 Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga, fa tiako ho fohazina ny mazavatsinanana.

10 TOMPO o, vory vahoaka no hiderako Anao ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,

11 satria lehibe tafapaka amin'ny lanitra ny fitiavanao ary avo tafapaka amin'ny rahona ny fahamarinanao.

12 Andriamanitra o, misandrata Ianao hanerinerina any an-tampon'ny lanitra; aoka anie ny voninahitrao hamiratra amin'ny tany tontolo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0861