Salamo

Toko faha-56 (55)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. hohiraina arakany feon'ny hoe "Voromahailala gina any an-tany lavitra." Salamo nataon'i Davida, fony izy voasambo ry ny Filistinina tao Gata.

2 Iantrao aho, Andriamanitra o, fa enjehina; tontolo andro aho iadiana sy ampahorina,

3 tontolo andro enjehin'ny mpandrafy ahy, fa maro tokoa ireo no mirehareha miady amiko.

4 Kanefa amin'ny andro atahorako, Ianao, ry ilay Avo, no itokiako.

5 Deraiko Andriamanitra noho ny teniny; Izy no itokiako ka afa-tahotra aho. Inona no ho vitan'izay olona osa amiko?

6 Ny hampahory ahy no resahina tontolo andro, ny hanisy ratsy ahy ihany no heverin'ireo.

7 Mivorivory izy, dia miery mitsongodia satria ny hahafaty ahy no kendreny.

8 Valio araka ny haratsiany izy, Andriamanitra o, aripaho amin-katezerana ireo olona ireo.

9 Ny nirenireneko efa voasoratrao ho ao anaty bokinao; angony koa ny ranomasoko ho ao anaty sinikelinao.

10 Andriamanitra o, amin'ny andro iantsoako Anao, dia hiamboho ireo fahavaloko ka hitsoaka; satria fantatro tokoa fa Ianao no momba ahy.

11 Deraiko Andriamanitra noho ny teniny; eny, deraiko Izy TOMPO noho ny teniny.

12 Izy no itokiako ka afa-tahotra aho. Inona no ho vitan'izay olona osa amiko?

13 Andriamanitra o, nanao voady taminao aho ka hanefa sorom-pisaorana ho Anao,

14 satria narovanao tsy ho faty aho. Eny, Andriamanitra o, nambenanao aho mba tsy ho solafa-mamindra ka hizotra eo anoloanao, anatin'ny hazavana mahavelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0556