Salamo

Toko faha-55 (54)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Tononkalo fananarana nataon'i Davida.

2 Andriamanitra o, mba henoy ny fivavako, ary aza idifiana ny tarainako.

3 Aoka aho hotandrinao sy hovalianao fa mivezi-poana amin-tsento sy toloko,

4 noho ny fahavaloko mihiaka sy ny olon-dratsy mampahory ahy; eny, hasomparana no atorany amiko, sady tezerany sy ankahalainy aho.

5 Mangorohoro ato anatiko ny foko; fanahiana ny ho faty no mamely ahy.

6 Voan'ny tahotra sy tebiteby aho ary koa heniky ny horohoro.

7 Hoy aho hoe: "Raha izay, hono aho, no mba ary elatra toa voromahailala hisidinako hitady izay hitoerako,

8 dia handositra lavitra aho ka honina any an-taniefitra!

9 Ho dodona hamonjy fialofana aho, tsy ho tratry ny tafiotra sy ny oram-baratra."

10 Akorontano, TOMPO o, ny fikasan'ireo mpanohitra ahy; asaritaho ny teny ifanaovany. Ady sy an-keriny no hitako ao an-tanana

11 sy manodidina ny manda ny andro aman'alina; heloka sy fampahoriana no ao anivon-tanana

12 tsy ialam-pitaka sy kolikoly ny lalambeny.

13 Raha fahavalo no mamingavinga ahy, ho niaretako ihany; raha mpankahala no mirehareha hamely ahy, ho niafenako fotsiny.

14 Saingy ianao iray tarika amiko, tapaka, namana sy sakaiza!

15 Izany isika nifanao teny mamy sy niara-dia, fony nankao an- tranon'Andriamanitra!

16 Aoka ireo mpanohitra ahy ho faty tampoka; aoka hidina velona any an-toeran'ny maty izy, fa toe-dratsy no ao amin'ny fonenany, hevi-dratsy no ao anatin'ny fony!

17 Izaho kosa miantso an'Andriamanitraka Izy TOMPO mihitsy no hamonjy ahy.

18 Na hariva na maraina na antoandro no anaovako sento sy toloko, dia ho henony hatrany aho.

19 Ho hatoniny akaiky aho ka hafahany; eny, ho tsoahiny soa aman-tsara aho amin'ny ady am-parimbona atao ahy.

20 Hihaino anie Andriamanitra ka hampietry an'ireo, satria Izy no Mpanjaka hatrizay hatrizay! Tsy mety miova toetra ireo olon-dratsy ireo sady tsy matahotra an'Andriamanitra.

21 Ny olona nihavanany, aninjirany tanana; ny fifanekena nataony, ivadihany.

22 Malemy noho ny hero-dronono ny firesany, kanjo ady no mameno ny fony; malefaka noho ny diloilo ny teniny, kanjo toy ny sabatra vonon-kamely.

23 Apetraho amin'ny TOMPO ny fiahianao, fa Izy no hanohana anao; na oviana na oviana ny olo-marina tsy havelany hangozohozo.

24 Ianao, Andriamanitra o, hampidina ao am-pasana ny olona mpandatsa-dra sy mpamitaka, na tsy mbola misasaka aza ny androm-piainany. Fa izaho kosa dia hatoky Anao hatrany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565