Salamo

Toko faha-54 (53)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Tononkalo fananarana nataon'i Davida,

2 fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Miery any aminay i Davida.

3 Andriamanitra o, vonjeo aho noho ny voninahitrao; ary omeo rariny aho satria mahery Ianao!

4 Andriamanitra o, henoy ny fivavako; mba mampandria sofina amin'ny teniko.

5 Fa olona hafa firenena no mitsangan-kamely ahy, olon-dozabe no mitady hahafaty ahy tsy miraharaha Anao akory ireo.

6 Indro kosa Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no hany mpanohana ahy;

7 Izy anie hamaly ny ratsy ataon'ny mpitsikilo ahy! Aringano ireo satria mahatoky tokoa Ianao.

8 An-tsitrapo no anaterako sorona ho Anao; TOMPO o, hidera Anao aho fa tsara Ianao; nafahanao tamin'ny fahoriako rehetra aho ka hitako maso ny fahavaloko resy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1247