Salamo
Toko faha-53 (52)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina amin'ny fomba fihira malahelohelo. Tononkalo fananarana nataon'i Davida.2 Adala izay miteny anakampo hoe:"Tsy misy Andriamanitra !" Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo sady tsy mba misy manao ny tsara.
3 Avy eny an-danitra eny Andriamanitra no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa.
4 Fa Izy rehetra no mania, ka samy tsy valahara avokoa; tsy mba misy manao ny tsara, na dia iray akory aza !
5 Hoy kosa Andriamanitra hoe:"Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana sady Izaho tsy antsoiny akory!"
6 Indreo matahotra dia matahotra ireny amin'ny tsy tokony hatahorany akory, satria efa naelin'Andriamanitra ny taolan'ny tsy mpivavaka. Ho menatra tokoa izy ireo satria efa narian'Andriamanitra.
7 Hivoaka avy ao Tsiona anie ny famonjena an'i Israely, ka hifaly sy hiravo ny taranak'i Jakoba, dia ny vahoaka Israely tsivakivolo, rehefa hambinin'Andriamanitra indray izy !