Salamo

Toko faha-52 (51)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon'i Davida,

2 fony tonga i Doega, ilay Edomita, ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Nankany an-tranon'i Abimeleka i Davida.

3 Ahoana ianao no mirehareha amin'ny ratsy, ry ilay mahery mamely ny mpivavaka marina.

4 Heloka hatrany no saininao; toa hareza maranitra ny lelanao, ka kinga tokoa raha hanendrikendrika;

5 tsy mba ny tsara no tianao fa ny ratsy, tsy mba ny marina fa ny lainga.

6 Teny manimba avokoa no maminao, ry mpamitaka.

7 Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay; hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy ary hanongotra anao amin'ity tany ivelomantsika ity.

8 Ny olo-marina hahita izany ka hitolagaga ary dia haneso anao sy handatsalatsa hoe:

9 Indro ilay lehilahy mpiady, tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny fa niantehitra tamin'ny harem-beny, nirehaka tamin'ny haratsiany.

10 Izaho kosa, ao an- tranon'Andriamanitra, dia toa fototr'oliva maitso mavana; ny fitiavany no itokiako mandrakizay mandrakizay.

11 TOMPO o, hoderaiko hatrany Ianao noho ny amin'izay nataonao; ary eo anatrehan'ny mpivavaka aminao no hanambarako fa tsara Ianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558