Salamo

Toko faha-51 (50)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida,

2 fony i Natana mpaminany nankao aminy, rehefa naka an'iBaty-Seba ity mpanjaka.

3 Andriamanitra o, iantrao aho satria fatra-pitia Ianao; koseho re ny hadisoako satria be indrafo Ianao.

4 Sasao tanteraka aho ho afa-keloka ary diovy mba ho afa-pahotana.

5 Eny, miaiky ny fahadisoako aho sady tsaroako lalandava ny fahotako.

6 Ianao irery tokoa no nanotako, ny ratsy eo imasonao no nataoko; hany ka ara-drariny Ianao raha miteny, ary tsy omen-tsiny raha manadidy.

7 Jereo fa meloka aho no teraka, mpanota raha notorontoronina;

8 nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao, koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy.

9 Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.

10 Ataovy reko ny famelanao, dia hifaly sy hiravo indray aho; ary aoka hibitaka ny taolako izay efa voamontsamontsanao.

11 Hadinoy tanteraka ny fahotako ary koseho avokoa ny heloka vitako.

12 Amorony fo madio aho, Andriamanitra o, fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

13 Aza esorina anoloanao aho; ny Fanahinao Masina, aza alana amiko.

14 Avereno amiko ny hafalian'ny voavonjy; ilay Fanahinao mampazoto no anohany ahy.

15 Dia hotoroako ny lalanao ireo olon-diso ka hiverina aminao ny mpanota.

16 Andriamanitra o, Andriamanitra mpamonjiko Ianao. Namono olona ho faty aho ka ataovy afa-keloka mba hihobiako ny fanafahanao ahy.

17 TOMPO o, ampio hiloa-bava aho, mba hanambarako ny fiderana Anao.

18 Tsy ny sorona amam-panatitra no ho sitrakao; raha izany, dia nomeko ihany Ianao. Na ny sorona dorana manontolo aza dia tsy hahafaly Anao akory.

19 Ny sorona ataoko aminao, Andriamanitra o, dia ny fanahiko tsy miavonavona; ny foko tsy miavonavona sy mangorakoraka dia tsy mba ataonao tsinontsinona, Andriamanitra o.

20 Noho ny fanambinanao, hasoavy i Tsiona, atsangano ny mandan'i Jerosalema.

21 Dia ho sitrakao ireo sorona amam-panatitra ara-dalana mbamin'ny sorona dorana sy izay atolotra manontolo; ka dia ombilahy no hakarina eo ambonin'ny alitaranao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563