Salamo

Toko faha-50 (49)

1 Salamo nataon'i Asafa. Ny TOMPO Andriamanitra Avo Indrindra no miteny ka miantso ny olona eran'ny tany, dia hatreo amin'izay iposahan'ny masoandro ka hatrany amin'izay ilentehany.

2 Avy ao Tsiona, tanana fatratra tokoa, no amirapiratan'Andriamanitra.

3 Tonga ilay Andriamanitray ka tsy hangina Izy fa hiteny. Afo mandevona no mialoha Azy, tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.

4 Nidina avy any ambony Izy mba hitsara ny vahoakany, ka miantso ny tany amana habakabaka hoe:

5 "Vorio hanketo anoloako ny mpivavaka marina, dia ireo nanao sorona fanekem-pihavanana tamiko.

6 Aoka hambaran'ny habakabaka fa marina ny Tompo, sady Izy no ilay Andriamanitra Mpitsara! "

7 -Ry Israely vahoakako, mandrenesa, fa hiteny aminareo sy hampitandrina anareo Aho, dia Izaho Andriamanitra Andriamanitrareo.

8 Tsy ireo sorona amam-panatitrareo no aniniako anareo: eo anatrehako mandrakariva ireny rehetra ireny.

9 Tsy izay ombilahy ao am-balanareo no halaiko na izay osilahy ao am-pahitrareo;

10 fa Ahy avokoa ny biby any an'ala sy ny biby fiompy manerana ny tanety;

11 fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra ary Ahy koa ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.

12 Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao; satria Ahy ny tontolo sy izay eo aminy.

13 Nofon'ombilahy angaha no fihinako sa ran'osilahy no fisotroko?

14 Ny fiderana no ataovy sorona ho Ahy Andriamanitrareo; ny voadinareo no efao amiko, fa Izaho no Avo Indrindra.

15 Dia antsoy amin'ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.

16 Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia izao no lazain'Andriamanitra:-Ahoana no itanisanisanareo ny didiko sy itenitenenanareo ny fanekempihavanako,

17 ianareo izay mpankahala anatra sy mpanipy ny teniko any ivoho?

18 Raha tojo mpangalatra ianareo, dia miombona aminy; ny olona mpanitsakitsa-bady no fiarahanareo.

19 Mailaka ianareo raha hanaratsy olona, kinga tokoa raha hiteny fitaka;

20 mipetrapetraka ianareo no manebaka namana sy manendrikendrika ny mpiray tampo.

21 Izany ve no ataonareo ka dia hangina Aho sa heverinareo Aho fa mitovy aminareo? Horeseko lahatra mihitsy ianareo ary ny toetranareo hasehoko eo imasonareo!

22 Koa hevero izany, ry mpanadino Ahy, ndrao viraviraiko tsy hisy hanafaka ianareo.

23 Ny fiderana no sorona anomezam-boninahitra Ahy; ary izay mahitsy fitondrantena no hanehoako ny famonjeko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557