Salamo

Toko faha-5

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida.

2 TOMPO o, mba henoy re ny teniko; aoka ho tandrinao ny sentom-poko.

3 Ry Mpanjakako sy Andriamanitro o, mandrenesa ny feoko fa miantso Anao aho; Eny, Ianao no ivavahako vao maraina,

4 ka ho henoinao ny feoko, TOMPO o. Vao maraina aho dia efa miomana ny horaisinao, ary miandry ny valim-bavaka avy aminao.

5 Tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ka tsy hitoetra eo aminao ny olon-dratsy,

6 tsy zakanao ho eo anoloanao ny mpirehareha, halanao ny mpanao ratsy rehetra.

7 Haringanao ny mpandainga; ary maharikoriko Anao, TOMPO o, ny mpamitaka sy mpamono olona.

8 Izaho kosa hiditra ao an-tranonao, satria Ianao efa fatra-pitia ahy; dia hiankohoka amim-panajana manoloana ny Toeramasinao aho.

9 TOMPO o, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny afitsok'ireo olona mitsikilo ahy; ataovy mahitsy eo anatrehako ny lalana asainao alehako.

10 Tsy misy azo ianteherana izay lazain'ireo, sady feno heloka ny ao am-pony; ny lelany toy ny lala-malama, ny tendany toy ny fasa-mitanatana.

11 Andriamanitra o, melohy izy; ny fikasany anie hampianjera azy! Roahy izy fa be ota loatra, satria efa nikomy taminao.

12 Izay rehetra mialoka aminao kosa, aoka hifaly; ireo arovanao, aoka hihoby mandrakizay; ireo tia Anao, aoka hiravoravo aminao!

13 TOMPO o, Ianao no mitahy ny olo-marina; ny fanambinanao no toy ny ampinga miaro azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555