Salamo

Toko faha-49 (48)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'ireo terak'i Kora.

2 Mandrenesa, ry olombelona rehetra; mihainoa, ry mponina eran-tany,

3 na olona ambony na sarambabem-bahoaka, na ny mpanankarena na ny mahantra;

4 fa hilaza fahendrena ny vavako, hametsovetso fahalalana ny foko.

5 Atongilako hihaino oha-teny ny sofiko; arahin-dokanga no hivoasako ny ankamantatra.

6 Inona moa no hatahorako amin'ny andro fahoriana, raha manodidina ahy ny mpisompatra mandoza

7 izay mitoky amin'ny hareny miavosa sy mirehareha amin'ny fananam-beny?

8 Tsy misy olona mahavotra ny hafa tsy akory na mahaloa tamby ho azy amin'Andriamanitra;

9 satria lafo loatra ny avotra aina, tsy ho voaloa na oviana na oviana

10 mba hahavelomana mandrakizay sy tsy hahitana ny fasana

11 Samy iaraha-mahita tokoa fa ny olon-kendry dia maty, ny adala sy ny ketrina koa levona, ka mamela ny hareny ho an'ny hafa.

12 Ny fasana no tranony mandrakizay sy fonenany amin'ny taona mifandimby, na ohatra aza ka ny anarany no niantsoana ireo taniny fahiny.

13 Eny, rehefa ao anaty voninahitra ny olona, dia tsy mahatsapa fa mbola ho faty ka ho tahaka ny biby ihany.

14 Izao no hanjo ny mpitoky tena sy hiafaran'ny olona mpirehaka:

15 horoahina toa andian'ondry izy mba ho any amin'ny toeran'ny maty ka Rafahafatesana no mpiandry hampiraotra azy; hanitsy izy no midina am-pasanaka tsy hotsaroana ny bikany; ary ny toeran'ny maty no fonenany.

16 Hotsimbinin'Andriamanitra kosa ny aiko mba ho afaka amin'ny herin'ny fahafatesana, satria Izy Andriamanitra no handray ahy.

17 Aza mba mialona raha misy tonga mpanana, raha mitombo voninahitra ny tranony.

18 Fa tsy hitondra na inona na inona izy, rehefa maty ; tsy ho avy hanaraka azy tsy akory ny voninahiny.

19 Fony izy velona no miarahaba tena sady noderain'ny olona satria nahomby.

20 Kanjo lasa tafaray amin'ny razany izy, tsy hahita hazavana na oviana na oviana.

21 Eny, rehefa ao anaty voninahitra ny olona, dia tsy mahatsapa fa mbola ho faty ka ho tahaka ny biby ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561