Salamo

Toko faha-48 (47)

1 Tononkira. Salamo nataon'ireo terak'i Kora.

2 Lehibe ny TOMPO Andriamanitsika, hany ka mendrika hoderaina fatratraao an-tananany, ao an-tendrombohiny masina.

3 Tsara fideza ny tendrombohitra Tsiona sady fifalian'ny vahoaka eran-tany: tendrombohitra fonenan'ny Tompo , tananan'ilay Mpanjaka lehibe.

4 Ao an-dapany ao Andriamanitra no miseho ho fiarovana avo.

5 Indreny mpanjaka mivorivory, dia miara-mandroso hamely an'i Tsiona;

6 kanjo nahatazana, dia nidonaka, nangorohoro ka riatra nandositra.

7 Nihovotrovotra foana teo izy ireo, nanaintaina toa vehivavy hiteraka;

8 moa va tsy ny rivotra avy any atsinanana, izay mahapotika sambo goavana, no nifofofofo nianjady taminy.

9 Araka ny henonay no mbola hitanay ao an-tananan'ny TOMPOn'izao rehetra izao, ao an-tananan'ilay Andriamanitray!Izy Andriamanitra no mampijoro azy hatrany.

10 Eto anivon'ny tempolinao, Andriamanitra o, no ametsovetsoanay ny fitiavanao.

11 Hatrany am-paran'ny tany ny lazanao, ka hatrany koa no hiderana Anao. Feno fahamarinana ny tananao ankavanana;

12 ary, noho ny fitsarana ara-drariny navoakanao, dia aoka hifaly ny olona ao an-tendrombohitra Tsiona, ao ka hiravo ny mponina ao an-tananan'i Joda!

13 Mitanjozora manodidina an'i Tsiona ka isaonareo ny tilikambony,

14 banjino tsara ny mandany, ary diniho fatratra ny lapany; dia ho azonareo tantaraina amin'ny taranaka any aoriana

15 fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika mandrakizay, ary Izy mihitsy no hitantana antsika hatrany hatrany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0804