Salamo

Toko faha-46 (45)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon'ireo terak'i Kora.

2 Andriamanitra ny anay no aro sy hery; mpamonjy mora azo indrindra Izy amin'ny fahoriana.

3 Koa tsy atahoranay na tany hihozona, na tendrombohitra hianjera any anaty ranomasina,

4 na riaka hirohondrohona sy handroatra ka hibontsina hampikoa ny tendrombohitra. Ny TOMPOn'izao rehetra izao no momba anay; ilay Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay!

5 Misy renirano mampifaly ny tananan'Andriamanitra, dia ilay fonena-masina tsy manan-tsahala amin'ireo fonenan'ny Avo Indrindra.

6 Andriamanitra no eo anivony ka tsy hihontsona izy; Andriamanitra mamonjy azy raha ho avy ny maraina.

7 Mitabataba ny firenena, mikorontana ny fanjakana; ny Tompo kosa namoaka feo toa kotro-baratra, dia nihovotra sy niempo ny tany.

8 Ny TOMPOn'izao rehetra izao no momba anay; ilay Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay!

9 Tongava hizaha ny asa vitan'ny TOMPO, dia ny zava-mampitolagaga nataony teto an-tany:

10 ny ady ampitsahariny hatrany am-paran'ny tany, ny tsipika sy ny lefona tapatapahiny, ary ny ampinga ataony kilan'ny afo.

11 Hoy ny TOMPO hoe: "Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin'ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin'ny tany."

12 Ny TOMPOn'izao rehetra izao no momba anay; ilay Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563