Salamo

Toko faha-45 (44)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Tononkalo fananarana nataon'ireo terak'i Kora. Tononkiram-pitiavana.

2 Ny foko miboiboika teny soa, ry mpanjaka, raha hambarako ny tononkaloko ho anao. Fomba kanto no hanononako an'izany, tahaka ny soratra voasikotra ambony vato.

3 Soa indrindra amin'ny samy olombelona ianao sady mahafinaritra ny teny ambaranao; koa aminao mandrakizay ny fitahian'Andriamanitra.

4 Ry ilay mpiady mahery fo o, fehezo amin'ny etra ny sabatrao izay mari-piandrianana sy voninahitrao.

5 Mitaingena kalesy ianao ka mirosoa hiaro ny hitsiny sy hitandro ny rariny. Loza no hafitsoky ny herinao:

6 ho lavo eo ambaninao ireo firenena, satria maranitra ny zana-tsipikanao ka hitsatoka am-pon'ireo fahavalonao.

7 Ny sezafiandriananao dia tahaka ny an'Andriamanitra ka maharitra mandrakizay mandrakizay; araka ny fahitsiana tokoa no itondranao ny fanjakanao.

8 Tia rariny sy mpankahala ratsy ianao. Noho izany ilay Andriamanitra Andriamanitrao dia nanokana anao fa tsy ireo namanao ka nanosotra diloilo fifaliana tamin'ny lohanao.

9 Mamerovero ny fitafianao rehetra fa manitra sahondra sy kanela ary miora; avy ao an-dapanao voaravaka ivoara dia andrenesanao mozika izay ankafizinao.

10 Misy andriambavy iray mitsena anao,dia mpanjakavavy maka toerana eo ankavananao sady miravaka volamena avy any Ofira.

11 Mihainoa, razazavavy, atongilano ny sofinao ary aoka ho tandrinao tsara izao: Aza raharahaina intsony ny firenenao sy ny fianakavian-drainao.

12 Ny mpanjaka mankatelina ny bikanao, ka iondreho izy fa tomponao.

13 Ny mpanefoefo avy any Tirosy ny mpanankarena amin'ny vahoaka dia samy hitondra fanatitra hahazoana sitraka aminao.

14 Mamirapiratra tokoa ilay Andriambavy omban'ny firavaka mifaham-bolamena.

15 Manao fitafiana misoratsoratra izy no entina eo amin'ny mpanjaka. Manotrona ny andriambavy koa ireo zazavavy sakaizany izay efa nentina teo aminy:

16 mandroso amim-pifaliana sy haravoana ireo ary miditra ao an-dapan'ny mpanjaka.

17 Ry mpanjaka o, ny zanakao anie handimby anao eo amin'ny seza fiandrianan'ny razanao, ka hotendrenao ho mpifehy manerana ny tany tontolo!

18 Izaho kosa hampahatsiaro ny lazanao amin'ny taranaka mifandimby; izany no hahatonga ny firenen-kafa hidera anao mandrakizay mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0571