Salamo

Toko faha-44 (43)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon'ireo terak'i Kora.

2 Andriamanitra o, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin'ny andro fahavelony.

3 Norobainao ireo firenen-kafa mba hamponenana ny firenenay; nampahorinao ireo vahoakany mba hanomezan-toerana ny vahoakanao.

4 Ny nahazoan'ny razanay ity tany ity dia tsy ny sabatra nananany; ny nahazoany fandresena dia tsy ny heriny velively, fa ny herinao nirotsaka an-tsehatrasy ny fanatrehanao azy amim-pitiavana.

5 Ianao tokoa, ry Andriamanitra Mpanjakako,no manome fandresena an'i Jakoba vahoakanao.

6 Ianao no anosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no anitsakitsahanay ny mpamely anay.

7 Tsy ny tsipikako no itokiako, tsy ny sabatro no andreseko;

8 fa Ianao no mamonjy anay amin'ny fahavalonay sy manafo-kenatra ny mpankahala anay.

9 Ianao Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva ary ny voninahitrao no derainay mandrakizay.

10 Kinanjo Ianao nanary sy nanafo-kenatra anay, tsy mandeha miaraka amin'ny tafikay intsony.

11 Izahay ataonao mihemotra eo anoloan'ny fahavalonay sy famabon'ny mpankahala anay;

12 atolotrao azy toa ondry hatao sakafo izahay sy aelinao any amin'ny firenen-kafa.

13 Ny vahoakanao ataonao varo-boba ka tsy ahazoanao tombony velively.

14 Izahay ataonao fandatsan'ny vahoaka hafa izay mpifanila aminay, zary fanakora sy faneso ho an'ireo firenena manodidina anay;

15 ambentin-dresak'ireo firenen-kafa sy mampihifikifi-doha an'ireo vahoakany.

16 Eo anoloako mandrakariva ny fahafaham-barakako ary manarona ahy ny fangaihaizako,

17 vokatry ny fandatsana sy ny fanarabiana avy amin'ireo fahavalo sy mpisompatra.

18 Mihatra aminay izany rehetra izany, na dia tsy nohadinoinay aza Ianao ary na tsy nivadihanay akory aza ilay fanekem-pihavananao taminay.

19 Tsy nihemotra hianotra ny fonay, tsy niala tamin'ny lalanao ny dianay,

20 nefa izahay asesikao aty an-toeram-bibidia sady saronanao amin'ny haizina mikitroka.

21 Raha nanadino Anao Andriamanitray izahay na nananty tanana tamin'andriamani-kafa,

22 tsy ho tsinjonao ve izany, Andriamanitra o, Ianao ilay mahalala ny tsiambaratelon'ny fo?

23 Eny, noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva sy iheverana anay ho toy ny ondry fanjedaka.

24 Mifohaza, TOMPO o! Nahoana Ianao no matory? Miarena Ianao fa aza manary mandrakizay.

25 Ahoana Ianao no tsy te hanatrika anay ary manadino ny fahorianay sy ny famoretana anay,

26 kanefa mihohoka amin'ny tany izahay sady mifetaka amin'ny tany ny kibonay?

27 Koa midira an-tsehatra hamonjy anay, avoty izahay noho ny fitiavanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569