Salamo
Toko faha-42 (41)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon'ny terak'i Kora.2 Tahaka ny diera maniry rano velona no aniriako Anao, Andriamanitra o.
3 Mangetaheta an'Andriamanitra aho, dia ilay Andriamanitra velona. Rahoviana aho no hiditra an- tempoliny mba ho afaka hiseho eo anatrehany?
4 Ranomaso no zary sakafoko na andro izany na alina, noho izaho ilazana foana hoe:"Aiza ity Andriamanitrao?"
5 Hontsa tokoa aho mahatsiaro ny fahiny fony aho niaraka tamin'ny besinimaro nandroso nankao an-tranon'Andriamanitra, omban'ny feo fihobiana sy fiderana redonim-bahoaka indray mankalaza.
6 Nahoana re aho no mitanondrika sy mitoloko toy izao ato anatiko? Aoka Andriamanitra no hitokiako! Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy, dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!
7 Tsy hitanondrika foana aho, TOMPO o, fa aleoko mivetsovetso Anao avy aty amin'ny faritra iandohan'i Jordana, dia ny tendrombohitra Hermona sy Mitsehara.
8 Mitambolimbolina ny rano be, satria mirohondrohona ny riananao; miantonta toy izany hanafotra ahy avokoa ny onja aman'alondranom-pahoriana alefanao.
9 Ny TOMPO anie haneho fitia amiko nony andro; izaho kosa, nony alina, hihira sy hidera an'ilay Andriamanitra fototry ny aiko.
10 Ka dia izao no teny lazaiko amin'Andriamanitra Vatolampiko:"Nahoana moa Ianao no nanadino ahy? Nahoana aho no nampahorin'ny fahavaloko ka manjary miaina mijoretra toy izao?"
11 Ny fandatsalatsany ahy dia toa mahatorotoro ny taolako, noho izaho ilazany foana hoe:"Aiza ity Andriamanitrao?"
12 Nahoana re aho no mitanondrika sy mitoloko toy izao ato anatiko? Aoka Andriamanitra no hitokiako! Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy, dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!