Salamo
Toko faha-41 (40)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 Sambatra izay miahy ny malahelo sy mahantra, fa ny TOMPO hamonjy azy amin'ny andro mahory.
3 Ny TOMPO no miaro azy tsy ho faty ka mahatonga azy ho sambatra eto an-tany sady tsy mahafoy azy ho voatanam-pahavalo.
4 Ny TOMPO no hanohana azy eo am-pandriana ijaliany, ka dia hikarakara azy mandritra ny aharariany.
5 Ka hoy aho tamin'ny TOMPO:"Mba iantrao aho ka sitrano fa taminao no efa nanotako!"
6 Ny fahavaloko maniry loza ho ahy hoe:"Oviana no ho faty io, ka tsy ho tsaroana intsony!"
7 Raha misy tonga mamangy ahy ireo, dia mikendry ny hanendrikendrika ahy; manangona fanaratsiana ao an-tsainy izy, ka vao tafavoaka, dia mampiely izany.
8 Nivory ireo rehetra tsy tia ahy mba hitakoritsidritsika ny amiko sy hanombantombana ny fahavoazako.
9 Hoy ireo hoe: "Voan'ny aretin-dratsy io ka milamaka tsy ho tafarina intsony!"
10 Na dia ny sakaiza tiako indrindra aza, izay nitokiako ka niara-nihinana tamiko, dia nanjary nitsangana hanohitra ahy.
11 Fa Ianao kosa, TOMPO o, miantra ahy; ka areno aho mba hamaliako an'ireo.
12 Izao no hahafantaranao fa tia ahy Ianao: tsy hakorain'ny fahavaloko hoe resy aho.
13 Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.
14 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Amen! Amen!