Salamo
Toko faha-4
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida.2 Ry Andriamanitra mpanome rariny ahy o, raha miantso vonjy aho, mba valio. Tao an-katerena aho no efa nafahanao; iantrao ary aho ka henoy vavaka.
3 Mandra-pahoviana, rey olona, no handotoanareo ny voninahitro? Ny hanendrikendrika ahy tsy amin'antony sy ny hamoron-dainga hiampangana ahy: izany no kendrenareo hatrany hatrany.
4 Fantaro kosa fa igagana ny fitiavan'ny TOMPO ahy; henoiny aho rehefa miantso vonjy aminy.
5 Tezera kanefa aza manota ianareo , mieritrereta eo am-pandriana kanefa aza manahy.
6 Fa manaova kosa sorona araka ny lalana ary dia matokia ny TOMPO.
7 Maro ny olona mitaraina hoe: "Mba te hahita fahasambarana izahay, ka jereo amin-kamorampo, TOMPO o."
8 Nasianao fifaliana kosa ato am-poko mihoatra noho ilay fifalian'ireo, amin'ny itobahan'ny variny sy ny divainy.
9 Vao mandry aho dia renoka am-piadanana, satria Ianao irery ihany, TOMPO o, no mampitombina ahy tsy hanana ahiahy.