Salamo
Toko faha-39 (38)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'i Jedoto na, filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 Hoy aho hoe: "Hotandremako ny fitondrantenako mba tsy hanota amin'ny teniko aho. Hataoko toy ny tampina ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny olon-dratsy."
3 Koa tena nangina mihitsy aho, tsy nivolana na dia tsy nahasoa aza. Vao mainka nitombo ny fijaliako,
4 nandevilevy ny foko tato anatiko, toy ny doran'ny afo ny eritreritro, ka tamin'ny farany aho nahateny hoe :
5 TOMPO o, ampahafantaro ahy rahoviana no hifarana ny fiainako ary hafiriana sisa no ahavelomako; aoka ho fantatro fa mihelina aho!
6 Indro fohy dia fohy tokoa ny androm-piainako; ka ny fisiako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Eny, ny olona rehetra matanjaka aza dia toa tsio-drivotra mandalo;
7 eny tokoa fa ny olombelona dia toa aloka miserana ihany! Misahirana tsy misy antony izy, manangon-karena nefa tsy mahalala izay hanjary ho tompon'izany.
8 Ary ankehitriny, TOMPO o, inona no azoko andrasana? Ianao ihany no antenaiko.
9 Afaho amin'izay rehetra mpamadika ahy aho, aza avela ho fanakoran'ireo adala.
10 Koa mangina aho ary tsy miloa-bava, satria Ianao no nahatonga izao.
11 Nefa aza kapohinao intsony aho, fa mila ho faty noho ny famelezanao.
12 Raha manitsy ny olona Ianao ka manafay azy noho ny helony, dia manimba izay maminy indrindra toy ny zavatra lanin'ny kalalao. Eny tokoa fa ny olona rehetra dia toa tsio-drivotra mandalo.
13 TOMPO o, henoy ny vavaka ataoko ary mandrenesa ny fitarainako; aza odian-tsy hita ny ranomasoko fa olona nasaina aho no eto aminao, mpivahiny ihany toy ny razako rehetra.
14 Mba ampiatoy ny famaizanao hahazoako mitsiky indray, alohan'ny hahalasanako ho any amin'ny varo-tsy mifody.