Salamo

Toko faha-38 (37)

1 Salamo nataon'i Davida. Hitaomana an'Andriamanitra hahatsiaroazy.

2 TOMPO o, tezitra amiko Ianao nefa aza faizina aho; eny, vinitra amiko Ianao nefa aza sazina aho.

3 Nitsatohan'ny zana-tsipikanao aho, ary niantefan'ny tehamaina famaizanao.

4 Tsy misy tsy marofy ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.

5 Fa mivangongo mihoatra ny lohako ny heloko toy ny enta-mavesatra tsy zakako mihitsy.

6 Maimbo sy mandoaka ny feriko noho ny hadalako ihany;

7 mitanondrika sy manjoretra loatra aho, manjonitra tontolo andro, toa misaona.

8 Mahamay voan'ny tazo ny tenako ka tsy misy tsy marofy ny nofoko.

9 Reraka aho ary drodroka tanteraka; mitoloko ny foko ka midradradradra aho.

10 TOMPO o, hitanao tokoa izay iriko, tsy miafina aminao ny sentosentoko;

11 miemponempona ny foko, lany hery aho, ary efa jambena mihitsy ny masoko.

12 Ny sakaizako sy ny olon-tiako aza mihataka ahy noho ny aretiko; ary ny havako manao tazan-davitra.

13 Ireo maniry ny ahafatesako mamela-pandrika; ireo mitady hanisy ratsy dia miteny hasomparana, sy mamorom-pitaka isan'andro hamelezana ahy.

14 Fa toy ny marenina aho ka tsy mahahaino, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

15 Eny, tahaka ny olona tsy mandre aho ka tsy mba manana teny havaly.

16 Ianao, TOMPO o, no antenaiko;Tompo Andriamanitro o, Ianao no hamaly.

17 Fa izao no vavaka nataoko taminao:"Aza avela ho fanesom-pahavalo aho; ary aoka tsy hirehaka ireo, raha sendra mivaona ny famindrako!"

18 Efa mila ho torana mihitsy aho ary ny fanaintainako tsy miala amiko.

19 Eny, miaiky ny fahadisoako aho ary matahotra noho ny amin'ny otako.

20 Mahery ireo mandrafy ahy tsy amin'antony, maro no mankahala ahy tsy an-drariny.

21 Valiany ratsy ny soa nataoko ary ampangainy aho satria manao ny tsara.

22 TOMPO o, aza ilaozanao aho; Andriamanitra o, aza manalavitra ahy.

23 Faingana hamonjy ahy, ry Tompo Mpamonjiko o.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557