Salamo

Toko faha-37 (36)

1 Nataon'i Davida.
Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy ary aza mialona ireo mpanao heloka;

2 fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo, toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

3 Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara, dia honina amin'ny tany nomeny ianao ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.

4 Aoka ny TOMPO no hiravoanao, dia homeny anao izay irin'ny fonao!

5 Ankino amin'ny TOMPO ny fiainanao, ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.

6 Ny rariny anananao hasehony ho toy ny mazavatsinanana; ny zo tandrify anao haharihariny ho tahaka ny mitatao vovonana.

7 Aoka hitombina tsara eo anatrehan'ny TOMPO ka hiandry Azy amim-paharetana ianao! Aza tezitra amin'izay mahomby, dia amin'ny olona manao fetsifetsy.

8 Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana; aza misafoaka fa loza no hiafaran'izany.

9 Satria hofongorana ireo mpanao ratsy, fa izay matoky ny TOMPO no handova ny tany.

10 Tsy ho ela dia hanjavona ny olon-dratsy; handinika izay nisy azy ianao, fa tsy hahita na inona na inona.

11 Ny malemy fanahy no handova ny tany ka ho finaritra hombam-piadanam-be.

12 Ny olon-dratsy manao hafetsena hamely ny marinasy mihidy vazana ho fankahalana azy,

13 kanjo izy ihomehezan'ny Tompo Izay mahita fa antomotra ny andro famaliana.

14 Manatsoaka sabatra ireo olon-dratsy ary koa manenjana tsipikamba handavoana ny ory sy ny mahantra ary hamonoana ny mahitsy fomba fiaina.

15 Fa hifotitra ny sabatra eny an-tanany ka hitsatoka amin'ny fony ihany; ary ny tsipikany ho tapatapaka.

16 Aleo ny kely ananan'ny olo-marina toy izay ny harem-ben'ny olon-dratsy,

17 satria ho potika ny fahefan'ny olon-dratsy fa ny olo-marina kosa hotohanan'ny TOMPO.

18 Ny TOMPO mitsimbina ny fiainan'ny manan-tsiny, ka ny tany zara lovany dia ho azy mandrakizay.

19 Amin'ny fotoana mahory dia tsy hiraika izy, ary amin'ny andro mosarena dia hanana izay ilainy.

20 Eny, ho ringana ny ratsy fanahy dia ireo fahavalon'ny TOMPO; ho tahaka ny voninkazo eny an-tsaha izy ka ho levona, eny, ho levona toy ny setroka.

21 Ny ratsy fanahy misambotra tsy mamerina, fa ny olo-marina kosa miantra ka manome.

22 Izay tahin'ny TOMPO no handova ny tany, fa izay ozoniny kosa dia ho fongotra.

23 Rehefa mahafaly ny TOMPO ny fitondrantenan'olona iray, dia Izy no hampahery azy eo amin'ny lalan-kalehany;

24 raha solafaka ilay olona, dia tsy mba hidaraboka satria tantanan'ny TOMPO.

25 Tanora aho fahiny, fa antitra izao; kanefa na oviana na oviana aho tsy nahita olo-marina nilaozan'ny Tompo na ny zanany lasa mpangataka.

26 Miantra isan'andro izy ka mampisambotra, ary andraisan'ny zanany fitahiana izany.

27 Raha manalavitra ny ratsy ka manao ny tsara ianao, dia honina maharitra eo amin'ny tany lovanao.

28 Satria ny TOMPO mitandro ny rariny ka tsy mba mandao ny mpivavaka aminy; hofoanana mandrakizay kosa ny olo-meloka ary hofongorana ny taranaky ny olon-dratsy.

29 Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina mandrakizay ao aminy.

30 Fahendrena no lazain'ny olo-marina; ara-drariny ny zavatra ambarany.

31 Ny lalanan'ny Andriamaniny no ao am-pony, ka tsy mba solafa-mamindra izy.

32 Tsikilovin'ny olon-dratsy ny olo-marina ary tadiaviny izay hahafaty azy, fa tsy avelan'ny Tompo ho azony na ho voaheloka any am-pitsarana.

33 Miankina am-paharetana amin'ny TOMPO ka ny lalana soritany no araho;

34 dia hasandrany ho mpandova ny tany ianao sady hahita ny olon-dratsy ho fongotra.

35 Izaho nahita olon-dratsy nanjakazaka ary nisandrahaka toa sederan'i Libano.

36 Nandalo indray aho, dia tsy teo intsony izy, ary nokarohiko fa tsy nety hita.

37 Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy, dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana no valiny omena ny olona toy izany.

38 Ny olo-meloka kosa dia haringana avokoa: ny famongorana no valiny omena ny olon-dratsy.

39 Mamonjy ny olo-marina ny TOMPO sy miaro mafy azy amin'ny andro mahory.

40 Manampy sy manafaka azy ny TOMPO, manafaka azy amin'ny olon-dratsy ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0599