Salamo
Toko faha-35 (34)
1 Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, tohero izay mpanohitra ahy ary iadio izay miady amiko.2 Raiso ny ampinga kely sy lehibe ka midira an-tsehatra hamonjy ahy.
3 Arangarangao ny lefona sy famaky ka sakano ireo mpanenjika ahy; ary lazao ho tokin'aiko ny hoe:"Izaho no ho mpamonjy anao!"
4 Ho menatra sy ho afa-baraka anie izay olona mitady hahafaty ahy! Hihemotra sy hangaihay anie izay mikasa hanao ratsy ahy!
5 Aoka ho toy ny akofa aelin-drivotra ireo, rehefa handroaka azy ny anjelin'ny TOMPO;
6 ary aoka ho maizina sy halama ny lalany, rehefa hanenjika azy ny anjelin'ny TOMPO!
7 Satria tsy misy antony mitombina akory, dia nanao fandrika hamelezana ahy ireo ka nihady longoa hamandrihana ahy.
8 Ho voan'ny loza tsy ampoizina anie izy, ka ho tratry ny fandrika nataony ihany sy hianjera amin'ny longoa nohadiny!
9 Fa ny nataon'ny Tompo kosa no hifaliako; ary ny amin'ny famonjeny no hiravoravoako.
10 Ny heriko tontolo no hilazako hoe:"TOMPO o, tsy misy tahaka Anao satria afahanao ny mahantra amin'izay matanjaka noho izy; eny, afahanao ny malahelo amin'izay mandroba azy."
11 Vavolombelona mandainga no mitsangana, ka zavatra tsy fantatro no iampangany ahy.
12 Valiana ratsy ny soa nataoko, hany ka mila hamoy fo aho.
13 Raha narary izy ireo, dia nalahelo aho ka nitafy lamba fisaonana ho marik'izany; nampijaly tena tamin'ny fifadian-kanina aho ary koa niondrika hivavaka ho azy,
14 fa toy ny namana na mpiray tampo no fitondrako azy tamin'izany; nanjombona sy valaketraka aho toy ny olona misaona ny reniny.
15 Kanjo nony lavo kosa aho, dia faly ireo sady mivorivory, mivorivory mba hamely ahy; vahiny tsy fantatro akory aza no tsy mitsaha-mivazavaza amiko.
16 Tahaka ny olona mihomehy lavo izy, ka mihidy vazana ho fankahalana ahy.
17 TOMPO o, mbola ho ela ve Ianao no hitazam-potsiny? Ny aiko tokana avoty amin'ny mpamely ahy fa toa liona mierona mihitsy izy ireo;
18 ka eo anivom-bahoakanao tafangona maro no hiderako sy hankalazako Anao.
19 Aza avela hanesoeso ahy ireo mpandrafy tsy an-drariny; aoka tsy hifanao pi-maso ahy ireo mpankahala tsy amin'antony !
20 Tsy mba miteny fihavanana izy, fa mamoron-dainga hamelezana an'ireo bonaika eo amin'ny tany.
21 Nitsaontsaom-bava tamiko izy ka nilaza hoe: "Akorinao izay! Ny masonay no nahita ny nataonao!"
22 Nefa Ianao, TOMPO o, dia nahita izay niseho; koa aza mangina, aza manalavitra ahy.
23 Ry Andriamanitro sady Tompoko, mifohaza sy midira an-tsehatra Ianao mba hanome rariny ahy ary koa mba hiaro ny zoko.
24 TOMPO Andriamanitro o, marina Ianao ka ambarao ho tsy manan-tsiny aho, fa aza avelanao ho fanesom-pahavaloko.
25 Aoka izy tsy hiteny anakampo hoe:"Hia! Azonay izy, ka nataonay teli-moka!"
26 Ho menatra sy hangaihay avokoa anie izay olona mifaly amin'ny fahavoazako; ho safo-kenatra sy ho afa-baraka anie ireo manandra-tena mirehareha amiko!
27 Fa izay tia ny hahazoako rariny dia aoka hanao horakora-pifaliana sy ho falifaly hivolan-dava hoe:"Lehibe tokoa ny TOMPO, fa ny hiadanan'ny mpanompony no zavatra tiany!"
28 Izaho koa hankalaza ny fahamarinanao sy hidera Anao isan'andro isan'andro.