Salamo
Toko faha-34 (33)
1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha.2 Hisaotra ny TOMPO lalandava aho ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.
3 Ny TOMPO no reharehako; koa mifalia, ry mpandefitra, rehefa mandre ny fiderako Azy.
4 Mankalaza ny TOMPO miaraka amiko ianareo, ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika.
5 Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka; ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.
6
Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;
ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.
7 Niantso vonjy aho fa olo-mahantraka nohenoin'ny TOMPO sy novonjeny tamin'izay fahoriako rehetra.
8 Ny anjelin'ny TOMPO miambina manodidina ny mpanaja an'Andriamanitraka manafaka azy amin'ny loza.
9 Andramo sy jereo fa tsara ny TOMPO. Sambatra ny olona mialoka aminy!
10 Mankatoava ny TOMPO, ianareo vahoakany: fa tsy misy mahory ny mpankato Azy.
11 Na dia ireo mpanankarena aza, mety tsy ampy hanina ka ho noana; fa izay mitady ny TOMPO tsy mba ho orin-java-tsoa.
12 Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka, fa hampianariko hanaja ny TOMPO.
13 Raha misy olona mankamamy fiainana ka te ho ela velona sy ho sambatra,
14 dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,
15 hiala amin'ny ratsy ka hanao ny tsara ary haharitra hikatsaka fiadanana.
16 Tsinjovin'ny TOMPO ireo olo-marina ary henoiny hatrany ny antsony.
17 Toherin'ny Tompo kosa ny mpanao ratsy , ka fongorany tsy eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy ireny.
18 Vao miantso vonjy ny olo-marina, dia henoin'ny TOMPO sy afahany tamin'izay fahoriany rehetra.
19 Fa akaikin'ny torotoro fo izy sady mamonjy ny rera-tsaina.
20 Na maro fahoriana aza ny olo-marina, dia afahan'ny TOMPO amin'izany rehetra izany.
21 Arovan'ny TOMPO avokoa ny rantsam-batany ka tsy hisy tapaka na taolana iray aza.
22 Ho fatin'ny haratsiany kosa ny olon-dratsy ary hohelohina ny mpankahala olo-marina.
23 Vonjen'ny TOMPO hatrany ny ain'ny mpanompo ny ary tsy hisy hohelohina izay mialoka aminy.