Salamo

Toko faha-33 (32)

1 Manaova horakora-pihobiana, ry olo-marina, noho ny amin'izay nataon'ny TOMPO; fa tombontsoa ho anareo ny midera Azy, ry olo-mahitsy.

2 Midera ny TOMPO amin'ny lokanga; ka salamo arahim-baliha torifolono ataovy ho fankalazana Azy.

3 Mihira hira vaovao ho Azy. Manaova feon-java-maneno kanto miaraka amin'ny fihobiana.

4 Fa mahitsy ny tenin'ny TOMPO ka azo antoka avokoa izay ataony.

5 Ny rariny sy ny hitsiny lalainy; ny fitiavany manenika ny tany.

6 Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra; niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.

7 Angoniny sy fefeny ny rano an-dranomasina ataony am-pitahirizana azy ny rano lalimbe.

8 Hatahotra ny TOMPO anie ny tany tontolo; hangovitra eo anatrehany anie ny mponina rehetra ao aminy!

9 Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany; nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.

10 Ny TOMPO maharava ny fikasan'ny firenena ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;

11 fa ny fikasan'ny TOMPO no maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.

12 Sambatra ny firenena manana ny TOMPO ho Andriamanitra; sambatra ny vahoaka nofidiny mba ho Azy manokana.

13 Avy eny an-danitra ny TOMPO no mitsinjo sy mijery ny olombelona rehetra;

14 Avy eo an-tseza fiandrianany no andinihany ny mponina rehetra ety ambonin'ny tany.

15 Mpamorona ny saina amam-piniavana Izy, ka mahalala izay rehetra ataon'ny olona.

16 Raha handresy amin'ny ady ny mpanjaka, dia tsy noho ny hamaroan'ny miaramilany; ary raha afa-doza ny mpiady, dia tsy noho ny haben'ny heriny.

17 Fa ny soavaly tsy azo itokiana hahazoam-pandresena; ary na matanjaka be aza izy, dia tsy mahavonjy ny mpitaingina azy.

18 Tsinjovin'ny Tompo kosa ireo mpanaja Azy, dia ireo olona miantehitra amin'ny fitiavany,

19 mba hanafaka ny ainy amin'ny fahafatesana sy hamelona azy na dia misy mosary aza.

20 Miandry ny TOMPO tokoa isika: famonjena sy fiarovana ho antsika Izy.

21 Eny, Izy TOMPO no ifalian'ny fontsika; masina ny anarany ka itokiantsika.

22 TOMPO o, ho aminay anie ny fitiavanao araka ny ianteheranay aminao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575