Salamo

Toko faha-32 (31)

1 Tononkalo fananarana nataon'i Davida. Sambatra ny olona afa-keloka sy voavelan'Andriamanitra ny otany.

2 Sambatra izay tsy heverin'ny TOMPO ho diso sady tsy misy fitaka ny fanahiny.

3 Fony aho tsy mbola niaiky fahotana, dia nihalany hery ny tenako satria nitaraina tontolo andro aho.

4 Andro aman'alina, TOMPO o, no nanasazianao ahy hatrany; ka nanjary reraka mafy aho, toa nasian'ny hainandro migaina.

5 Koa dia naborako taminao ny otako ary tsy nafeniko Anao ny hadisoako. Hoy aho hoe: "Meloka aho, TOMPO o, ka tsy maintsy hiaiky izany aminao." Tamin'izay dia nafahanao ny otako.

6 Ny mpivavaka marina rehetra dia tokony hitalaho aminao toy izany amin'ny fotoana ilany vonjy aminao; ka na toa ranobe hitelina aza ny loza, dia tsy hahatratra azy akory izany.

7 Ianao no fierena miaro ahy mba tsy ho azon'ny fahoriana; ny ahodidinao ahy dia horakora-pihobiana ataon'ireo mifaly fa nafahanao aho.

8 Hoy ny TOMPO hoe: "Hampianariko ianao sady hotondroiko ny lalan-kalehanao, hotoroako hevitra sy harahiko maso:

9 aoka ianao tsy ho ketrina toa soavaly na ampondra izay vy sy lamboridy no ihazonan'olona azy; dia tsy hisy zava-doza hihatra aminao."

10 Fijaliana maro ny an'ny ratsy fanahy; fa izay mitoky amin'ny Tompo kosa dia harovan'ny fitiavany hatrany.

11 Noho ny amin'izay nataon'ny TOMPO, dia mifalia sy miravoa, ry olo-marina; manaova horakora-pihobiana, ianareo rehetra mahitsy fo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1224