Salamo

Toko faha-31 (30)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.

2 TOMPO o, Ianao no fialofako; tsy ho diso fanantenanana oviana na oviana aho. Araka ny fahamarinanao dia afaho amin'ny loza aho!

3 Mba anongilano sofina aho ka vonjeo faingana; aoka Ianao ho Vatolampy fiereko ary ho manda hahitako famonjena!

4 Eny, harambato sy manda fiarovana ho ahy Ianao ; ary mba ho voninahitry ny anaranao, dia aoka Ianao hitarika ahy sy hiandry ahy!

5 Tsoahy amin'ny fandrika harato izay novelarina tamiko aho, satria Ianao no miaro ahy.

6 Eo an-tananao no apetrako ny fiainako ; TOMPO o, Ianao no nanafaka ahy, Ianao Ilay Andriamanitra mahatoky.

7 Halako ny mivavaka amin'ny sampy; fa izaho, TOMPO o, dia mitoky aminao.

8 Te hifaly sy hiravo aho noho ny fitiavanao, satria hitanao ny fahantrako sady fantatrao ny fahoriako;

9 ary tsy navelanao ho azom-pahavalo aho fa najoronao ho eo an-kalalahana.

10 Mba iantrao aho, TOMPO o, fa ao an-katerena ny tena amam-panahiko ary jembin'alahelo ny masoko.

11 Kikisam-pahoriana ny aiko, lanin-tsentosento ny taonako, ritran' ny heloka vitako ny heriko, ka dia indro maina mbamin'ny taolako.

12 Mandatsa ahy avokoa ny fahavaloko, eny, na dia ny mpiara-monina amiko aza; ny olom-pantatro koa matahotra ahy, ka mandositra raha mifanena amiko.

13 Tsy fantatra intsony aho fa hadino toy ny maty sy toy ny zavatra nariana.

14 Efa reko ny besinimaro mifosa ahy ka mampihorohoro hatraiza hatraiza. Mikaon-doha hamely ahy izy sy miray tetika hanala ny aiko.

15 Izaho kosa mitoky aminao, TOMPO o, ka hoy aho hoe: "Andriamanitro Ianao."

16 Eo ambany fiahianao ny androm-piainako ka afaho amin'ny fahavalo sy mpanenjika aho.

17 Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao, ka vonjeo satria be fitiavana Ianao.

18 Tsy ho diso fanantenana anie aho, satria miantso vonjy aminao, TOMPO o; fa aoka ireo ratsy fanahy no ho menatra ka hangina any amin'ny toeran'ny maty!

19 Ataovy moana ireo fa mpandainga sady sahisahy mamely olo-marina amin'avonavona sy fanamavoana.

20 Kanefa, TOMPO o, akory ny hamaroan'ny soa atokanao ho an'ireo manaja Anao! Eo imason'ny olona no anaovanao izany ho an'izay mialoka aminao hatrany.

21 Ampierenao tsara eo anatrehanao Izy mba ho lavitra ny ankaso ataon'olona; Ao an-tranonao no anafenanao azy mba ho lavitra ny mpifosa manangana ady.

22 Hisaorana anie Ianao, TOMPO o, fa nigagana tokoa ny fitiavanao ahy fony aho toy ny tanana voafahirano!

23 Tamin'ny fahatairako no nilazako hoe: "Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao. "Kanjo nohenoinao ny fitalahoako, rehefa niantso vonjy taminao aho.

24 Ry mpivavaka rehetra, tiava ny TOMPO satria Izy miaro an'izay mino Azy; fa ireo mpiavonavona kosa dia valiany tsy an'erany izay nataony.

25 Ianareo rehetra manantena ny TOMPO, matanjaha sy mahereza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0683