Salamo

Toko faha-30 (29)

1 Salamo nataon'i Davida. Hira tamin'ny fitokanana ny lapany.

2 TOMPO o, hankalaza Anao tokoa aho noho Ianao nanafaka ahy tsy ho faty ka tsy namela ahy ho esoim-pahavalo.

3 Ry TOMPO Andriamanitro o, niantso vonjy taminao aho ka dia nositraninao tokoa.

4 Toa efa lasa tany am-pasana aho fa novelominao indray, TOMPO o; toa efa tany amin'ny fonenan'ny maty aho no nakarinao avy any.

5 Mihira Salamo ho an'ny TOMPO, ianareo mpivavaka aminy; manaova fiderana Azy ka tsarovy fa masina Izy.

6 Indray mipi-maso ny hatezerany, fa mandritra ny fiainana tontolo no itosahan'ny fanambinany. Hariva sy mandraka alina mbola misy ny tomany; fa maraina kosa dia hobim-pifaliana.

7 Tamin'ny fiadanako no nilazako hoe: "Tsy hihontsona aho na oviana na oviana.

8 Noho ny fanambinanao, TOMPO o, dia najoronao tamin-toerana avo aho. "Kanjo tsy nanaiky hijery ahy Ianao ka indro raiki-tahotra mafy aho.

9 TOMPO o, miantso vonjy aminao aho; Ianao, ry Tompoko, no italahoako.

10 Inona no soa azonao raha maty aho na aidina halevina any am-pasana? Izay lasa vovoka ve hidera Anao na afaka hanambara fa mahatoky Ianao?

11 TOMPO o, henoy aho ka iantrao; TOMPO o, aoka hamonjy ahy Ianao!

12 Dia navadikao ho dihy ny alaheloko. Nesorinao tamiko ny fitafiam-pisaonako ka nosoloanao akanjom-pifaliana.

13 Izany no tsy hitsaharako ny hisaotra Anao eram-po. Ry TOMPO Andriamanitro o, hoderaiko mandrakizay Ianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551