Salamo
Toko faha-3
1 Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany lahy.2 TOMPO o, akory ity hamaroan'ny fahavaloko! Maro loatra ny olona mitsangan-kanohitra ahy;
3 maro loatra ny milaza momba ahy hoe: "Tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy!"
4 Nefa Ianao, TOMPO o, no ampinga miaro ahy; Ianao no voninahitro sy mampitraka ahy.
5 Raha miantso vonjy amin'ny TOMPO aho, dia valiany avy ao an-tendrombohiny masina.
6 Matory aho ka renoka, dia mifoha, satria ny TOMPO no manohana ahy.
7 Tsy atahorako ny olona alinalina izay manemitra mba hamely ahy.
8 Ry TOMPO Andriamanitro o, midira an-tsehatra hamonjy ahy. Hasianao tehamaina ny fahavaloko rehetra, ka dia raraka ny nifin'ireo olon-dratsy.
9 TOMPO o, Ianao no hany afaka mamonjy. Ho amin'ny vahoakanao anie ny fitahianao!