Salamo

Toko faha-28 (27)

1 Nataon'i Davida. TOMPO o, miantso vonjy aminao aho. Ianao no Vatolampy fialofako ka aza manentsin-tadiny amiko; satria raha anginanao tsy valiana aho, dia ho tahaka an'ireo olona afaka aina izay efa midina mankany am-pasana.

2 Koa henoy ary izany fitalahoako, rehefa miantso vonjy aminao aho ka manandra-tanana hivavaka mitodika amin'ny Toeramasinao.

3 Aoka aho tsy hailikao tahaka ny olon-dratsy, dia ireo olona efa zatra manao heloka; fihavanana no resahiny amin'ny namany, kanjo fandozana no mameno ny fony.

4 Valio araka ny asany tokoa ireny sy araka ny haratsian'izay nataony; eny, valio araka izay zava-bitany izy ka ny nataony no atsingereno aminy.

5 Tsy nahoany ny asan'ny TOMPO mbamin'izay zavatra vitany. Koa horavan'ny Tompo anie ireo ary tsy havelany hijoro intsony!

6 Hisaorana anie ny TOMPO fa nohenoiny ny fitalahoako!

7 Miaro ahy izy satria ampingako, ary nitokian'ny foko tokoa; voavonjy aho ka mientan-karavoana, ary dia mihira fiderana Azy.

8 Ny TOMPO no miaro ny vahoakany; Izy koa no manda famonjena ho an'ilay mpanjaka nohosorany.

9 TOMPO o, mba vonjeo sy tahio ity vahoakanao sady lovanao; ka meteza re Ianao ho mpiandry azy sy ho mpitandrina azy mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574