Salamo

Toko faha-27 (26)

1 Nataon'i Davida. Ny TOMPO no mpanazava sy mpamonjy ahy, ka iza no hatahorako? Ny TOMPO no toy ny manda miaro ny aiko, ka iza no hangovitako?

2 Raha manatona kosa ny olon-dratsy toy ny biby masiaka hamely ahy, dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo no ho lavo hitsikasina amin'ny tany.

3 Raha tafika no tonga hanao fahirano, dia tsy hanan-tahotra akory aho; ary na misy ady mihatra amiko aza, dia handry fahalemana ihany aho.

4 Zavatra tokana no angatahiko sady iriko fatratra homen'ny TOMPO: dia ny hitoetra ao an-tranony mandritra ny androm-piainako rehetra, mba hianoka amin'ny hatsarampony sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny.

5 Koa raha tonga ny andro mahory, dia hafeniny ao an'efitra fialofany aho sy hampiereny tokoa ao an-dainy; eny, hasandrany ambony vatolampy aho.

6 Amin'izay aho dia ho voasandrany tokoa ho ambonin'ireo fahavalo manodidina ahy; ka hanolotra sorom-pihobiana ao an-dainy sady hihira salamo hankalazana ny TOMPO.

7 TOMPO o, mba henoy ny feoko raha miantso vonjy aminao, ary iantrao aho ka valio.

8 Ndeha ianao, hoy ny foko amiko, ndeha ianao mitady ny TOMPO. Izany indrindra no itodihako aminao.

9 Koa aza mihodina amiko Ianao, aza mandroaka ahy an-katezerana, fa Ianao no efa namonjy ahy. Aza arianao aho ary aza ilaozanao, fa Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.

10 Raha nandao ahy ny ray aman-dreniko, Ianao kosa, TOMPO o, no nandray ahy.

11 TOMPO o, asehoy ahy ny lalana soritanao; noho ny amin'ireo fahavaloko, dia tariho amin'ny lala-mahitsy aho.

12 Aza avela hanaram-po amiko ireo mpandrafy ahy, fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kamely sy mifofofofo ery mba hiampanga ahy.

13 Inona ny amiko raha tsy natoky aho fa hahita ny hatsarampon'ny TOMPO eto amin'ity tany iainantsika ity?

14 Mahandrasa ny TOMPO ianao! Matanjaha ary mahereza fo; eny, mahandrasa ny TOMPO!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1174