Salamo

Toko faha-26 (25)

1 Nataon'i Davida. TOMPO o, ambarao ho tsy manan-tsiny aho fa madio fiaina sy matoky tanteraka ANAO.

2 TOMPO o, fotory toetra sy diniho aho ka tsarao ny faniriako aman'eritreritro.

3 Ifantohan'ny masoko ny fitiavanao; ary ny fahamarinanao no arahiko.

4 Tsy niray tsikombakomba tamin'ny mpisoloky aho na niara-dia tamin'ny mpihatsaravelatsihy;

5 fa halako ny fikambanan'ny olon-dratsy ary ihatahako lavitra ny olo-meloka.

6 Hanasa tanana aho satria tsy manan-tsiny. TOMPO o, hanodidina ny alitaranao aho

7 ka hiredona hira fisaorana Anao sady hitantara ny asanao mahagaga rehetra.

8 TOMPO o, tiako ny trano onenanao, dia ny toerana ipetrahan'ny voninahitrao.

9 Aza aringana miaraka amin'ny mpanota aho; ny aiko, aza esorina toy ny an'ny mpamono olona,

10 dia ireo mivimbina ody ratsy an-tanan'ila ary ny ilany indray feno tsolotra noraisina.

11 Fa izaho kosa dia madio fiaina; koa afaho sy iantrao aho.

12 Lala-mahitsy no ijoroan'ny tongotro; ka isaky ny miangona aho, dia hisaotra ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559