Salamo

Toko faha-25 (24)

1 Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, Ianao no ifantohako;

2 Andriamanitro o, Ianao no itokiako ka aza avela ho diso fanantenana aho na ho resy hifalian'ny fahavaloko!

3 Izay rehetra miantehitra aminao dia tsy mba ho diso fanantenana; fa ireo mivadika aminao no ho menatra, ka enga anie hitondra tanam-polo mody!

4 TOMPO o, ampahafantaro ny lalanao aho ary ampianaro hiaina araka ny sitrakao.

5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho ka ampianaro, satria Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy sady hany ianteherako isan'andro.

6 Tsarovy, TOMPO o, fa hatrizay hatrizay dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.

7 Koa hadinoy ny fahotako, fony aho tanora; eny, hadinoy re izay hadisoana vitako; nefa mba tsarovy kosa aho, TOMPO o, satria be fitiavana sy tsara fo Ianao.

8 Tsara fo sy mahitsy tokoa ny Tompo ka ny mpanota toroany lalan-kaleha,

9 ny ory tarihiny amin'ny hitsiny sady ampianariny ny sitrapony.

10 Ny torohevitra rehetra ataon'ny TOMPO dia maneho fitiavana tsy miova ho an'izay manaraka ny baiko raketin'ilay fanekem-pihavanany.

11 TOMPO o, mba ho voninahitrao, dia avelao ny heloko na lehibe aza.

12 Raha misy olona manaja ny TOMPO, dia hotoroany ny lalan-kofidina koa izy.

13 Hiaina amim-piadanana izany olona izany; ary ny taranany no handova ny tany.

14 Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin'ny fanekem-pihavanany.

15 Banjiniko mandrakariva ny TOMPO, fa Izy ihany no hanafaka ahy amin'ny harato namandrihana ahy.

16 TOMPO o, todiho aho ka iantrao fa irery sady fadiranovana.

17 Toneo ny tebitebin'ny foko ary tsoahy avy ato an-katerena aho.

18 Jereo ny fahoriako sy ny fijaliako, ka avelao ny fahotako rehetra.

19 Jereo ny hamaroan'ny fahavaloko, sady loza tokoa ny fankahalany ahy.

20 Arovy re aho ka vonjeo; aoka tsy ho diso fanantenana aho, satria Ianao no fialofako!

21 Miantehitra aminao aho, TOMPO o, mba hiarovanao ahy hadio sy hahitsy.

22 Andriamanitra o, ilay Israely vahoakanao mba afaho amin'ny zava-drehetra mahory azy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0583