Salamo
Toko faha-24 (23)
1 Salamo nataon'i Davida. An'ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy :2 Izy no nanorina azy teo ambony ranomasina ka mampaharitra azy eo ambonin'ny onja.
3 -Iza ary no hiakatra ny tendrombohitry ny TOMPO ? Zovy no hahajoro ao amin'ny Toeramasiny?
4 -Izay madio tanana sy mahitsy fo , izay tsy nirona tamin'ny laingana nianiana ho enti-mamitaka.
5 Ireo no handray ny fitahian'ny Tompo, sy hoeken'Andriamanitra Mpamonjy ho marina.
6 Iza ny no karazan'olona mitady an'Andriamanitra, te hiatrika an'ilay Andriamanitr'i Jakoba!
7 Akaro ny tataonareo, ry vavahady; misandrata, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjaka be voninahitra!
8 -Iza moa iza ny mpanjaka be voninahitra izany? -Ilay TOMPO mahefa sy mahery, ilay TOMPO mahery an'ady!
9 Akaro ny tataonareo, ry vavahady; misandrata, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjaka be voninahitra!
10 -Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany? -Ilay TOMPOn'izao rehetra izao, Izy no mpanjaka be voninahitra!