Salamo
Toko faha-22 (21)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina arakany feon'ny hoe "Ny dieravavy, fony mazava tsinanana". Salamo nataon'i Davida.2 Andriamanitro o, Andriamanitro o nahoana no dia nilaozanao aho ? Nahoana no mijanona eny lavitra eny Ianao ka tsy mamonjy ahy na mihaino ny tarainako?
3 Mandritra ny andro aho miantso Anao saingy tsy valianao, Andriamanitro o; ary miantso koa aho amin'ny alina, saingy tsy mahazo fiononana.
4 Kanefa mipetraka an-tsezafiandrianana Ianao, ry ilay Andriamanitra masina Izay fideran'i Israely vahoakanao.
5 Nitoky taminao ireo razanay; natoky Anao izy ka tsy diso fanantenana,
6 niantso vonjy taminao ka nafahanao, natoky Anao ka tsy diso fanantenana.
7 Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony, ka sady voaompa no lavin'ny vahoaka;
8 izay mahita ahy dia maneso avokoa, manondro molotra, mihifikifi-doha.
9 Ka hoy izy ireo ny amiko hoe: "Ny TOMPO no itokiany ka aoka hanavotra; eny tia azy Izy, ka aoka hanafaka !"
10 Ianao, TOMPO o, no namoaka ahy mba hiala avy tao an-kibon-dreniko ka nampandry ahy teo an-trotroany.
11 Vao teraka aho, dia nankinina taminao; mbola tany am-bohoka aho, efa Andriamanitro Ianao.
12 Koa aza manalavitra ahy fa akaiky izao ny loza; ary izay hamonjy ahy dia tsy misy mihitsy.
13 Ireo fahavaloko no mitangorona amiko toa ombilahy maro manemitra ahy, toa ombilahy masiaka avy any Basana.
14 Misanasana vava hamely ahy ireny, mova tsy liona mandrotika sy mierona.
15 Very hery toy ny rano mihanaka aho, ary mivahavaha ny taolako rehetra; toa savoka ny foko ka miempo ato anatiko.
16 Maina toy ny tavim-bilany ny tendako; miraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako. Toa ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no efa ametrahan'ny fahavaloko ahy.
17 Andian'olon-dratsy no mitangorona amiko toa alika maromaro manodidina ahy; nafatotr'ireo ny tongotra aman-tanako.
18 Ny taolako rehetra no sisa hita, satria mahia aho ka jeren'ireo fotsiny sady angarihany;
19 ifampizarany ny fitafiako ary ataony antsapaka ny akanjoko.
20 Ianao kosa, TOMPO o, aza manalavitra ahy; Ianao, ry heriko, faingana re hamonjy.
21 Afaho tsy ho ritra tankina ny aiko, arovy aho tsy ho rembin'ireo alika,
22 vonjeo tsy ho rotidrotiky ny liona, ary tsy ho voan'ireo tandrok'ombimanga. Dia namaly ny vavaka nataoko Ianao!
23 Koa hanambara ny lazanao amin'ireo namako aho ary hidera Anao, rehefa miangona izahay :
24 "Midera ny TOMPO, ianareo mpanaja Azy. Aoka hanome voninahitra Azy ianareo rehetra taranak'i Jakoba; aoka hangovitra eo anatrehany ianareo rehetra taranak'i Israely!
25 Fa tsy nohamavoiny na notebahiny ity mahantra izay vesaram-pahoriana; tsy nanda ny hifanatri-tava aminy Izy, fa nihaino tokoa ny tarainany."
26 TOMPO o, Ianao no ahazoako midera Anao rehefa tafangona maro ny vahoakanao; eo anatrehan'ireo mpanaja Anao no hanefako ny voadiko taminao.
27 Hasaiko amin'ny sakafon-tsorona ny ory: hihinana anie izy ka ho voky! Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy ka ho finaritra ho ela velona!
28 Aoka ny vahoaka hatrany am-paran'ny tany hahatsiaro ny TOMPO ka hiverina aminy; aoka ny fianakaviamben'ny firenen-drehetra samy ho tonga hiankohoka eo anatrehany!
29 Fa ny TOMPO no mpanjaka, Izy no manapaka amin'ireo firenena.
30 Eny, hiankohoka eo anoloany aza ireo rehetra matory ao ambanin'ny tany : handohalika avokoa eo anatrehany izay rehetra miverina ho vovoka satria efa tsy nisy aina intsony.
31 Hanompo Azy ny taranak'ireny; ny taranaka manaraka hilazana ny Tompo.
32 Ireo olona vao ho teraka hitantarana izay nataony hanafahana ny vahoakany.