Salamo

Toko faha-21 (20)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.

2 TOMPO o, ny herinao no ifalian'ny mpanjaka ary ny fandresenao no iravoany aoka izany.

3 Nomenao azy izay zavatra niriny ary tsy nolavinao izay nangatahiny taminao.

4 Eny, notsenainao fitahian-tsoa izy ka fehiloha volamena no nasatrokao ny lohany;

5 ny fiainana nangatahiny nomenao azy, dia andro mitandavana mandrakizay.

6 Noho ny fandresenao dia lehibe ny voninahiny: fiandrianana sy laza no arakotrao azy.

7 Fa ataonao heni-pitahiana hatrany izy ary ampifalinao amin'ny fanatrehanao.

8 Eny, ny TOMPO no itokian'ny mpanjaka, hany ka tsy hangozohozo akory izy satria tia azy ilay Avo Indrindra.

9 Ry Andriamanitra Mpanjaka o, ho azonao ny fahavalonao rehetra ary ho eo am-pelatananao ireo rehetra mpankahala Anao.

10 Raha vao hiseho fotsiny Ianao,dia ho toy ny afo mijoalajoala handevona azy.-Eny, hofongoran'ny TOMPO amin'ny hatezerany anie ireny tahaka ny andevonan'ny afo ireo zavatra dorana!

11 Hofoananao tsy ho eto an-tany ny taranany, ka ho esorinao tsy ho eo amin'ny olombelona.

12 Raha mikasa hanisy ratsy anao ireny na mitady hanohitra, dia tsy hahomby;

13 fa tifirinao amin'ny zana-tsipika izy ary ataonao rifatra mandositra.

14 Misandrata, TOMPO o, amin'izato herinao fa hankalazainay an-kira ny fandresenao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0596