Salamo
Toko faha-2
1 Nahoana no mihotakotaka ny firenena ? Ireo vahoaka mikomy amin'ny tsinontsinona;2 ireo mpanjakan'ny tany miomana hiady; ireo andriana miara-mioko hanohitra ny TOMPO sy ilay Mesiany.
3 Aoka hotapahintsika, hoy ireo, ny gadra angejany; ary hariantsika any izay fanjakazakany!
4 Ny Tompo Izay mipetraka any an-danitra kosa dia mihomehy azy sy maneso azy.
5 Ka itenenany amin-katezerana ireo sy ampihorohoroiny amin-kavinirana hoe:
6 Izaho no manendry Azy ho mpanjaka eo Tsiona tendrombohitro masina!
7 -Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka, ny didy navoakan'ny TOMPO; fa hoy Izy tamiko: "Ianao no zanako; Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.
8 Koa angataho amiko ny firenena rehetra, dia homeko ho fanananao ireny hatrany amin'ny faravazan-tany,
9 ary hofehezinao amin'ny tehim-by ka ho azonao potehina toa vilany tany."
10 Koa misehoa ho hendry, ianareo mpanjaka; ary minoa anatra, ry mpitsara ny tany.
11 Tompoy amin-tahotra ny TOMPO ary ekeo amin-kovitra ny fahefany, fandrao hirehitra tampoka ny hatezerany ka ho fatin'ny fikasanareo ianareo.
12 Sambatra izay rehetra mialoka aminy.