Salamo
Toko faha-19 (18)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 Ny lanitra manambara ny voninahitr'Andriamanitra ary ny habakabaka mitory ny asa vitany;
3 ny andro mitantara izany amin'ny andro mandimby, ary ny alina milaza izany amin'ny alina manaraka.
4 Tsy misy izay miteny na mivolana, tsy misy izay feo mety ho heno;
5 nefa ny rindrany miharihary eran-tany, ny hafany tonga any am-paran'izao tontolo izao. Nanorenan'Andriamanitra tranolay teny ana habakabaka ny masoandro.
6 Koa isa-maraina dia miseho ilay izy toy ny mpampakatra mivoaka ny tranony; toy ny olo-matanjaka faly maka bahana mba hanefa ny hazakazaka fanaony.
7 Ny faravodilanitra atsinanana no iaingany ary ny faravodilanitra andrefana no iafarany; ka, eny amin'ny lalan-kizorany eny, dia tsy misy afa-miery amin'ny hafanany.
8 Lavorary ny lalanan'ny TOMPO ka mamelombelona aina. Mahatoky ny fepetra nataon'ny TOMPO ka mampahendry ny olon-tsotra.
9 Mahitsy ny fitsipiky ny TOMPO ka mahafaly ny fo. Mangarangarana ny baikon'ny TOMPO ka manazava ny fijery.
10 Madio ny fanajana ny TOMPO, ka maharitra hatrany hatrany. Marim-pototra ny fitsarana avoakan'ny TOMPO ka ara-drariny avokoa;
11 mahasarika noho ny volamena, dia ny vaingam-bolamena voadio; sady mamy noho ny tantely, dia ny tantely avy amin'ny tohotra.
12 TOMPO o, izaho mpanomponao dia hazavain'ireny tokoa; fa lehibe ny tombontsoa ho an'izay mitandrina azy.
13 Mety manao hadisoana ny olona, saingy tsy mahatsikaritra akory; koa mamela ahy amin'ny ota tsy nahy.
14 Arovy tsy ho voan'ny ota iniana aho, ka aza avela hanan-kery amiko ireny; dia tsy hanan-tsiny tokoa aho sady ho afaka amin'ny heloka bevava.
15 Hankasitrahinao anie iza ny teniko sy izay vetsoko teo anoloanao, ry TOMPO Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!