Salamo

Toko faha-17 (16)

1 Vavaka nataon'i Davida. Mandrenesa, TOMPO o! Mitaky rariny aho. Enga anie ho tandrinao izato fitarainako! Mba henoy re ny vavaka ataoko fa teny tsisy fitaka izany.

2 Avy aminao no tokony hivoaka ny didim-pitsarana momba ahy, satria mahita ny hitsiny Ianao.

3 Efa nandinika ny foko Ianao, ary avy alina namotopototra ahy; nizaha sy nisedra ny toetrako Ianao fa tsy nahita n'inona n'inona ho kianina. Tsy niteny ratsy

4 toy ny ataon'ny olona aho fa ny baiko voalazanao no hany notandremako. Ny sori-dalan'ny didinao

5 no nifikiran'ny diako; ny tongotro tsy mba nivaona hiala amin'ireo soritrao.

6 Koa miantso Anao aho, Andriamanitra o, satria mamaly vavaka Ianao. Aoka mba hanongilan-tsofina amiko Ianao handrenesanao izay lazaiko!

7 Asehoy ahy ny fitiavanao mahagaga, dia Ianao Izay mpamonjy amin'ny mpampahory ho an'ireo mialoka eo ankavananao.

8 Tandremo toy ny anakandriamaso aho ka afeno sy arovy eo ambany elatrao

9 mba tsy ho azon'ny olon-dratsy izay mampahory ahy tokoa, dia ireo fahavalo romotra tonga manemitra ahy.

10 Tsy mba manana fo mangoraka izy, ary ny teniny feno avonavona.

11 Mitsongodia ahy no ataony; ka indreo izy manodidina ahy sady mibandrina ahy fa te hamotraka ahy an-tany,

12 toa liona mamitsaka am-pierena efa may ny hamiravira remby.

13 Mirotsaha amin'izay Ianao, TOMPO o, mba hanohitra sy handaboka azy; ny sabatrao re no anafaho ahy mba tsy ho azon'ny olon-dratsy aho.

14 Aoka ny sandrinao, TOMPO o, handroaka azy mba tsy ho eo amin'ny velona intsony fa izany no natao ho anjarany etoana. Ampigohy azy ny mafaitra tahirizinao ho azy; ny zanany koa anie hisotro amin'izany ka hamela ny sisa ho an'ny zafikeliny!

15 Fa izaho kosa nomenao rariny, ka ho afaka hanatri-tava Anao; ary isaky ny mifoha aho, dia ho afa-po amin'ny endrikao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562