Salamo
Toko faha-16 (15)
1 Hira malefaka nataon'i Davida. Andriamanitra o, arovy aho satria Ianao no fialofako.2 Hoy aho tamin'ny TOMPO: "Ianao tokoa no Tompoko ka tsy misy hasambarako, raha tsy eo akaikinao!"
3 Ny vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny tany no tena tsara laza ka sitrako fatratra.
4 Fa izay mpirohotra amin'andriamani-kafa dia hampitombo kosa ny fahorian-tsainy; tsy mba hiaraka aminy velively aho hanolotra ny fanati-dra izay ararany, ary tsy hanonona anarana azy akory.
5 TOMPO o, Ianao no zarako sy lovako; Ianao tokoa no mitantana ny hoaviko.
6 Zava-mahafinaritra no voatendry ho ahy; eny, ilay fananana soa indrindra no azoko.
7 Isaorako ny TOMPO Izay manolo-tsaina ahy; na amin'ny alina aza dia anarin'ny eritreritro aho.
8 Ataoko eo anoloako mandrakariva ny TOMPO, eo ankavanako Izy ka tsy hihontsona aho.
9 Koa faly sy ravo ny fo amam-panahiko, ary izany no itoerako amim-pahatokiana;
10 satria Ianao tsy manary ahy ho rembin'ny toeran'ny maty sady tsy mamela ahy hogiazan'ny fasana noho izaho tena mpivavaka aminao.
11 Ampahafantarinao ahy ny lalana izay mankany amin'ny fiainana; hafaliana no manenika ahy eo anatrehanao, fahafinaretana mitohy no eo ankavananao.