Salamo

Toko faha-151

1 Salamo nosoratana manokana ho an'i Davida, nefa tsy tafiditra ao amin'ny fanisana. Fony i Davida nanao ady samy irery tamin'i Goliata. Izaho no kely indrindra taminay mirahalahy avy sy zandriny indrindra tamin'ny ankohonan-draiko. Ny miandry ny ondrin-draiko no lahasako.

2 Nanao sodina ny tanako; namboatra valiha ny rantsan-tanako.

3 Iza no hanambara izany amin'ny Tompoko? Ny Tompo ihany, eny, Izy mihitsy no mandre.

4 Koa dia nandefa ny irany Izy, ka naka ahy teo anivon'ny ondrin-draiko io sy nanosotra ahy tamin'ny menaka fanosorany.

5 Bikana sy ranjanana avokoa ny zokiko; nefa tsy izy ireo no sitraky ny Tompo.

6 Lasa nisehatra an'ilay Filistinina aho, ka nozoniny tamin'ireo sampiny.

7 Fa notsoahako ny sabatra teny aminy ary dia nanapa-doha azy aho; ka indro ny henatra fa voaaisotra teo amin'ny taranak'i Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562