Salamo

Toko faha-15 (14)

1 Salamo nataon'i Davida. -TOMPO o, iza moa no horaisina an- tempolinao sy hahazo toerana eo an-tendrombohitrao masina ?

2 -Izay tsy manan-tsiny, izay mitandro ny rariny ka milaza tokoa ny marina ao am-pony;

3 tsy manao teny manendrikendrika olona sady tsy manisy ratsy ny namany, na manompa ny mpiara-monina aminy;

4 tsy miraharaha izay lavin'Andriamanitra, fa manaja an'ireo mpivavaka amin'ny TOMPO, tsy mivadika amin'ny fianianana vita na dia maningotra ny tenany aza izany;

5 sady tsy mba manisy zana-bola rehefa mampisambotra no tsy mba mandray tsolotra hamelezana ny tsy manan-tsiny. Izay manao izany sy izany dia tsy hihontsona na oviana na oviana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057