Salamo
Toko faha-149
1 Haleloia! Mihira hira vao ho an'ny TOMPO ianareo. Hidera Azy anie ny fiangonan'ny mpivavaka!2 Hifaly anie ny vahoaka Israely, fa ny Tompo no Mpanao azy; hiravo anie ny terak'i Tsiona, fa Izy no mpanjakany!
3 Hoderaina amin-dihy anie ny anaran'ny Tompo, ka hankalazaina amin'amponga sy lokanga
4 fa sitraky ny TOMPO ny vahoakany sady ravahany fandresena ny ory!
5 Ny mpivavaka anie hientanentana hanome voninahitra ny Tompo; hanao hobin-kafaliana anie ireo na dia mandritra ny alina aza,
6 ka am-bava hanandratra an'Andriamanitra, an-tanana hanainga sabatra roa lela!
7 Ny mamaly faty an'ireo hafa firenena sy manao famaizana ny vahoakany,
8 ny mamatotra ireo mpanjakany sy managadra ireo mpifehy azy,
9 ary ny mampihatra amin'ireny ny fitsarana voarakitra an-tsoratra: izany sy izany no zavatra ireharehana ho an'izay rehetra mpivavaka amin'ny Tompo. Haleloia!