Salamo

Toko faha-148

1 Haleloia! Midera ny TOMPO ianareo any an-danitra any; eny, midera Azy ianareo any ambony any.

2 Midera Azy, ry anjeliny rehetra; midera Azy, ry tafiny tontolo.

3 Midera Azy, ry masoandro amam-bolana; midera Azy, ry kinta-mazava rehetra.

4 Midera Azy, ry lanitra faratampony mbaminareo rano any ambonin'ny habakabaka.

5 Aoka ireo samy hidera ny anaran'ny TOMPO, satria Izy no nandidy, dia ary ireo

6 sady nataony maharitra mandrakizay sy nomeny lalana tsy azo dikaina!

7 Midera ny TOMPO ianareo eto an-tany; midera Azy, ry dragona sy rano lalimbe rehetra,

8 ry afo sy havandra, ry orampanala sy zavona, ry rivotra mahery izay mpankato ny teniny;

9 midera Azy, ry tendrombohitra sy havoana rehetra, ry hazo mamoa sy sedera rehetra,

10 ry bibidia sy biby fiompy rehetra, ry biby mandady sy voro-manidina.

11 Midera Azy, ry mpanjakan'ny tany sy ry vahoaka rehetra, ry mpitondra sy mpifehy rehetra eran-tany,

12 ry tovolahy sy tovovavy, ry zokiolona omban'ny ankizy.

13 Aoka ianareo samy hidera ny Tompo, satria ny anarany irery no avo indrindra: ambonin'ny tany aman-danitra ny fiandrianany.

14 Nataony mitraka sy mahery ny vahoakany; ka midera ny TOMPO ireo mpivavaka aminy, dia ireo Israelita vahoaka lalainy. Haleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0553