Salamo
Toko faha-147 (146-1
1 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy; mankalaza ny Andriamanitsika fa mamy Izy. Mendrika Azy tokoa ny fiderana.2 Manangana an'i Jerosalema ny TOMPO: ao no hamoriany izay efa niely tamin'i Israely.
3 Manasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny ferin'ireo.
4 Manisa tsirairay ny kintana Izy sy miantso azy amin'ny anarany avy.
5 Lehibe ny TOMPOntsika sady mahery; tsy misy fetra ny fahalalany.
6 Manarina ny ory ny TOMPO fa manetry ny olon-dratsy hatramin'ny tany.
7 Mihira fiderana ho an'ny TOMPO ianareo; mankalaza an'Andriamanitsika amin'ny lokanga:
8 Izy no manaron-drahona ny lanitra manomana orana ho an'ny tany, mampitsiry ahitra ny tanety, mamokatra anana ho an'ny olona,
9 manome sakafo ny biby fiompy sy ny zana-goaika mitoreo.
10 Tsy ny herin'ny soavaly na ny hakingan'ny olona no tena sitraky ny TOMPO sy ankamaminy,
11 fa izay manaja Azy ka matoky ny fitiavany.
12 Ry Jerosalema o, mankalaza ny TOMPO; ry Tsiona o, midera an'Andriamanitrao.
13 Izy no manamafy ny hidim-bavahadinao, mitahy ny zanakao ao anatinao,
14 manisy fiadanana ny faritaninao sy mamoky anao amin'ny vary tsara indrindra,
15 mandefa ny baiko ny eto an-tany ka faingam-piely tokoa ny teniny.
16 Izy no mandatsaka orampanala toa volon'ondry, sy mamafy fanala toa lavenona,
17 manipy rano mandry toa sombi-mofo ka tsy misy mahazaka ny hatsiakany.
18 Alefany ny teniny, ka miempo ireny; atsokany ny rivotra, dia mandriaka ny rano.
19 Izy no manambara ny teniny amin'ny taranak'i Jakoba, ny didiny sy fitsipiny amin'ny vahoaka Israely,
20 fa tsy mba nanao izany tamin'ny firenen-kafa ka ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireo. Haleloia!