Salamo
Toko faha-145 (144)
1 Fiderana nataon'i Davida.Andriamanitro o , Ianao no mpanjakako ka dia hanandratra Anao aho sy hankalaza ny anaranao mandrakizay.
2
Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay.
3 Lehibe ny TOMPO ary mendri-piderana fatratra; tsy takatry ny saina ny halehibiazany
4
Ny taranaka rehetra samy hilaza amin'izay mandimby azy ny fiderana ny zava-bitanao sy hanambara ny asanao mahery.
5 Ny fiandriananao malaza sy be voninahitra mbamin'ny asanao mahagaga no hosaintsainiko;
6 hotenenin'ny olona anie ny herinao mahatahotra, fa hotanisaiko kosa ny halehibiazanao!
7 Aoka izy hiventy fahatsiarovana ireo asa soa lehibe nataonao ary hihoby ny fahamarinanao!
8
Miantra sy be indrafo ny TOMPO, tsy malaky tezitra ary be fitiavana ;
9 tsara amin'ny olon-drehetra ny TOMPO, be indrafo amin'ny asany rehetra.
10 TOMPO o, midera Anao ny asanao rehetra; misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
11 Resahiny ny fanjakanao be voninahitra ary teneniny ny asanao mahery
12 mba ho fantatry ny olona ny asanao mahery sy ny fanjakanao be voninahitra sy malaza.
13
Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao; amin'ny taona mifandimby ny fanapahanao.
Mahatoky amin'ny fampanantenany rehetra ny TOMPO ary be fitiavana amin'ny asany rehetra.
14 Ny TOMPO no manohana izay rehetra ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
15 Mifantoka aminao ny mason'izao rehetra izao fa Ianao manome azy ny sakafony ara-potoana.
16 Manokatra ny tananao Ianao ka mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra.
17 Marina amin'ny lalany rehetra ny TOMPO ary be fitiavana amin'ny asany rehetra.
18 Ny TOMPO eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
19 Manao izay irin'ny manaja Azy ny Tompo, ary mihaino ny tarainany ka mamonjy azy.
20 Ny TOMPO miambina izay rehetra tia Azy; ny olon-dratsy kosa aringany avokoa.
21 Aoka ny vavako hiteny fiderana ny TOMPO; ny voaary rehetra anie hankalaza ny anarany masina mandrakizay mandrakizay!