Salamo

Toko faha-144 (143)

1 Nataon'i Davida. Hisaorana anie ny TOMPO vatolampiko, Ilay manazatra ahy hamely fahavalo sy manomana ahy hiady amin'ireo!

2 Izy no fialofako sy fonena-mimandako fiarovana avo sy mpanafaka ahy. Izy no ampingako sy fiereko, mampietry firenena maro hanoa ahy.

3 TOMPO o, mba inona moa ny olombelona no ahinao sy izay zanak'olombelona no karakarainao?

4 Fa ny olombelona toa tsio-drivotra ihany; ny androm-piainany toa aloka mihelina.

5 TOMPO o, mba aletseo ny lanitra ka midina; tendreo ny tendrombohitra hanetona.

6 Ataovy mitselatselatra ny helatra hipariaka; alefao ny zana-tsipikanao hifanaretsaka.

7 Ny tananao atsory avy any ambony mba hisarika ahy ho afaka amin'ny ranobe, dia amin'ny famelezan'ny hafa firenena,

8 izay miteny fitaka ny vavany ary fianianana tsy marina no anandratany tanana ankavanana.

9 Andriamanitra o, hihirako hira vaovao Ianao ary hankalazaiko amin'ny valiha torifolo:

10 Ianao no manome fandresena ny mpanjaka sy manafaka an'i Davida mpanomponao.

11 Vonjeo tsy ho voan'ny sabatry ny olon-dratsy aho, afaho amin'ny famelezan'ny hafa firenena, izay miteny fitaka ny vavany ary fianianana tsy marinano anandratany tanana ankavanana

12 Ny zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo: toy ny hazo tanora maroroka fitsiry! Ny zanakay vavy anie ho toy ny andry fehizoro, izay tsara sokitra toy ny any an-dapa!

13 Ny sompitray anie ho feno hika, ho hipoka vokatra isan-karazany! Ny biby fiompy any an-tsahanay anie hitombo arivoarivo sy alinalina!

14 Ny mpiandany aminay no hizaka ny mafy, ka ny mandanay anie tsy hisy banga! Samy tsy hisy koa na ny faharesenana ny fibabababana eny an-kianja!

15 Sambatra ny firenena izay hahazo fanambinana toy izany! Sambatra ny firenena izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559