Salamo

Toko faha-143 (142)

1 Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, mba henoy vavaka aho, anongilano sofina ny fifonako. Araka ny toetranao mahatoky sy araka ny fiantranao no amalio ahy.

2 Mpanomponao aho ka aza antsoina hotsaraina, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3 Nenjehim-pahavalo tokoa aho; nohoseny an-tany ny aiko. Nampitoeriny tamin'ny haizina aho mova tsy ny maty fahagola.

4 Koa reraka ato anatiko aho; fadiranovana ny foko ato amiko.

5 Tsaroako izany andro fahiny; sainiko avokoa ny nataonao, eritreretiko ny asa vitanao.

6 Mivavaka manandra-tanana aminao aho ; ny fanahiko eo anatrehanao dia tahaka ny tany mangentana.

7 Valio faingana aho, TOMPO o, fa efa ambivitra ny aiko. Aza manafin-tava amiko Ianao, ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.

8 Ataovy tsapako isa-maraina ny fitiavanao, satria Ianao no itokiako; ampahafantaro ahy ny lalan-kizorako, satria Ianao no ifantohako.

9 TOMPO o, afaho amin'ny fahavalo aho fa ao aminao no iereko.

10 Ampianaro aho hanao ny sitrakao, satria Andriamanitro Ianao. Enga anie ny Fanahinao tsara hitarika ahy amin'ny tany marina!

11 Araka ny maha TOMPO Anao, dia velomy indray aho; noho ny fahamarinanao, dia esory amin'ny fahoriana aho.

12 Noho ny fitiavanao ahy, dia fongory ny fahavaloko ka aringano avokoa ny mpandrafy ahy, satria mpanomponao aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0576