Salamo
Toko faha-141 (140)
1 Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, miantso Anao aho: faingana ho eto amiko. Mba henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.2 Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao toy ny eton'ny vovo-javamanitra! Ny fanandratako tanana anie ho toy ny fanatitra hariva !
3 TOMPO o, asio mpiambina ny vavako; arovy ny varavaran'ny molotro.
4 Aza avela hirona amin'ny zava-dratsy ny foko. Aoka aho tsy hiaraka amin'ny mpanao heloka na hivarilavo amin'ny fanao tsy mety na hihinana ny hanim-pin'ireo koa!
5 Raha ny olo-marina hikapoka ahy, dia mari-pitiavana izany; raha hananatra ahy koa izy, dia ilomanitra soa indrindra izany ka enga anie tsy holavin'ny lohako! Fa ny fivavahako anie hitohy hatrany hanoherana ny haratsian'ny mpanao heloka!
6 Rehefa havarina amin'ny hantsam-bato ireo filohany, vao hiaiky ny mahamarina ny teniko ny olon-dratsy.
7 Toy ny hazo tapatapahina sy vakivakina eny an-tsaha no nanelezana ny taolam-balony, rehefa hitelina azy ny toeran'ny maty.
8 Ianao kosa no andrandrain'ny masoko, ry TOMPO Andriamanitro o; Ianao no ialofako, ka aza avela ho faty aho.
9 Ambeno aho tsy ho voan'ny fandrika mivelatra sy ny tadivavaran'ny mpanao heloka.
10 Enga anie ireo olon-dratsy ireo no hiara-datsaka anaty haratony, fa izaho kosa ho afaka amin'izany!