Salamo
Toko faha-140 (139)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 TOMPO o, vonjeo ho afaka amin'ny olon-dratsy aho ary arovy tsy ho azon'ny olon-dozabe
3 izay misaina haratsiana ao am-pony ka manangana ady isan'andro vaky.
4 Toa mandrani-dela hanindrona tahaka ny bibilava ireo, toa poizi-menarana ny teny avoakan'ny vavany.
5 TOMPO o, ambeno tsy ho voatanan'ny olon-dratsy aho, arovy tsy ho azon'ny olon-dozabe izay nihevitra handronjina sy hamotraka ahy.
6 Efa nanafim-pandrika hamelezana ahy ny mpiavonavona: eny, nanenjan-tady sy harato teo amoron-dalana ireo ary nametraka tadivavarana mba hahazoany ahy.
7 Hoy kosa aho tamin'ny TOMPO: "Ianao no Andriamanitro. TOMPO o, mba henoy izany feoko mitaraina aminao!
8 Ry TOMPO Andriamanitra Mpamonjy mahery o, nosaronanao ny lohako tamin'ny andro niadiana.
9 TOMPO o, aza tovinao izay irin'ny olon-dratsy, aza avela hahomby ny fikasany!"
10 Be rehaka lalandava ireo fahavalo manemitra ahy; ka ny ratsy notonontononiny anie hanototra azy!
11 Vainafo miredareda anie no toy ny orana halatsaka aminy; lavaka lalina tsy hainy hiakarana anie no hamarinana azy ao anaty afo!
12 Aoka ny olo-mahay vava tsy honina amin'ny tany, ary ny olon-dozabe ho enjehin'antambo ka tsy hamelany!
13 Fantatro, TOMPO o, fa ho tandrovinao ny zon'ny ory ary hamoahanao fitsarana ara-drariny ny mahantra.
14 Eny tokoa, ny olo-marina hisaotra Anao ary ny olo-mahitsy hitoetra eo anoloanao.